Nanaiky sy nanao sonia ny satam-pitondrantena mendrika ho an’ny antoko politika ny Parti Social-Démocrate (PSD) sy ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Eliane Bezaza, sekretera nasionalin’ny PSD sy Ravalomanana Marc, filohan’ny Antoko TIM, no nanao izany sonia izany, ny 14 jolay lasa teo. Sata voarafitra vokatry ny fikaonandoha sy atrikasa ary fifanakalozan-kevitra teo amina antoko politika maro izy ity. Maneho ny fahavononan’izy ireo hanatanteraka ny zotram-pifidianana ao anatin’ny mangarahara sy ny demokrasia ary ny fitoviana izany.
Misokatra ary tsy manavaka izay antoko politika te hanatanteraka azy ny sata. Mitaky adidy sy andraikitra maro samihafa kosa ny fanekena hanao sonia izany. Anisan’izany ny fandraisana andraikitra mba hahatonga ny zotram-pifidianana ho demokratika sy eken’ny rehetra. Hanatanteraka ny fihavanana sy ny fandeferana ary ny fanajana ny soatoavina iombonana mandritra ny zotram-pifidianana. Hiady amin’ny mety hisian’ny fifidianana misy halatra. Mbola maro ny andraikitra miandry izay manao sonia ny sata, ankoatr’ireo. Izany no atao mba hisian’ny fifidianana marina sy eken’ny rehetra.
Lin M.




