Niaiky ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fandaharana manokana, omaly, tamin’ny TVM/RNM fa mijaly sy mikaikaika noho ny delestazy ny vahoaka. Nampitandrina ny minisitry ny Angovo ny tenany ka manome telo herinandro, hitondrana vahaolana.
Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny olan’ny Jirama. “Tsy maintsy ahitana vahaoalana izany ka tsy hisy delestazy afaka telo herinandro ary hotsaraina amin’izany ny minisitra”, hoy izy. Nampanantena koa ny tenany fa afaka dimy taona, hivaha tanteraka ny olan’ny herinaratra. Manampy izany ny angovo azo havaozina ary hampitomboana ny famokarana herinaratra sy ny tanjany… Afaka dimy taona kosa vao tena ho afaka tanteraka ny olan’ny herinanaratra.. Hahazo “Parc solaire” koa ny distrika rehetra, mialoha ny faran’ny taona.Efa anatin’ny asa isika izao fa tsy fampanantenana, araka ny nambarany.
Momba ny sosialim-bahoaka kosa efa nampitomboina ny avotse, ny tosika fameno ary ho avy ny fizarana vary mora… “Porofoina amin’ny asa ny fitiavana”, hoy izy. Natsidiny fa hotokanana ny lalana RN-44 raha efa vita kosa Ambilobe-Vohemar ary efa hatao ny lalambe migodana. “Hofaizina ireo nanao asa antsirambina ny lalana ka omena 10 andro ny minisitra amin’izany ary hozaraina, amin’io, kosa ny volan’ireo mpandraharaha nanao lalana”, hoy ny filoha.
Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy misy afaka hanala ny maha malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana ao aminy. Tsy azo esorina ary tsy ekeny ny filazana fa tsy Malagasy ny tenany. “Tsy fahotana koa ny fizakana zom-pirenena hafa”, hoy izy. Niaiky ny tenany fa nangataka ny zom-pirenena vahiny tokoa ny tenany noho ny fianaran’ny zanany. Hentitra ny tenany nilaza fa tia tanindrazana ary vonona ny ho faty ho an’i Madagasiraka. “Tsarao amin’ ny asako aho”, hoy izy namarana io adihevitra io.
Synèse R.




