Nitohy ny sabotsy teo ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina ny tany Sainte Marie. Anisan’ny nanatrika ny “Festival des baleines” ny tenany rehefa avy nitokana ny fiangonana katolika voalohany eto Madagasikara nohavaozina.
“Tanàna mahafinaritra, mendrika hampandrosoana ary tsy ho hadino intsony ny aty. Nivavaka ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy koa aho”, hoy izy. Nasongadiny tamin’ny lahateniny, tao am-piangonana, fa zava-poana ny rehetra raha tsy miaraka amin’Andriamanitra. Notsiahiviny ireo soatoavina tokony hampiharina eo amin’ny fiainana. Eo ny fitiavana. Fitiavana an’Andriamanitra, ny ankohonana, ny tanindrazana. Eo koa ny fahasahiana, ny fanetrentena. “Misy mantsy vao manam-pahefana kely, efa mibontsina toy ny karibonetra”, hoy izy.
Nambarany fa maro ny fotodrafitrasa efa vita sy ny mbola hatao. Ho avy any an-toerana ny mpitsara hiasa ao amin’ny fitsarana mba tsy handehanan’ny mponina any Fenoarivo Atsinanana intsony. Hamboarina ny lalana ao Ste Marie ka hanombohana izany ny eo an-tanàna. Notsiahiviny fa efa vita ny maha “Aéroport international” ny ao Ravoraha ka hamboarina koa ny lalana amin’izany.
Etsy andaniny, efa vita ny CSB II ary efa tonga ny “ambulance”, ho an’ireo marary mila “Oxygène”. Ahitana “Salle d’accouchement” sy “pharmacie” izany tobim-pahasalamana izany. Nampanantena ny filoha fa hametraka “Parc solaire”, mialohan’ny faran’ny taona. “Hojerena ireo tanora, ny mpanao asa tanana ary ireo tsy an’asa. Nitondra fitaovana tahaka ny “meuleuse”, “perceuse”… aho hanampiana azy ireo”, hoy izy. Hisitraka famatsiam-bola koa ireo vehivavy manao ny “algo-culture”. Homen’ny filoha moto ireo ben’ny Tanàna ary fiara ho an’ny Jirama. Nahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny fikamban’ny mpanjono ao Ste Marie.
Synèse R.




