Namory ireo solontena maherin’ny 1 000, tetsy Mandrimena Andoharanofotsy, ny sabotsy teo, ny Mihava Tour Pro Siteny. Nambaran’ny mpanorina, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’izany fa tokony hianatra ny mpitondra. “Mahagaga fa tsy fantatr’izy ireo ny fitsinjaram-pahefana. Olom-boafidy no mitantana izany rafitra izany ary omena vola mahaleo tena izy ireo. Fahefana omena hatreny ifotony izany fa tsy vitan’ny fanorenana fotodrafitrasa… Tsy sarotra izany ka mandehana aloha mianatra”, hoy izy.
Etsy andaniny, nambarany fa marobe ireo teknisianin’ireo mpitondra nifandimby miara-miasa aminy, amin’izao fotoana izao. “Tsy ijerena tavan’olona ny fanavotana ny firenena sy ny fananganana an’i Madagasikara. Tsy maintsy mandray anjara avokoa ny rehetra”, hoy izy.
Notsiahiviny fa anisan’ny tokony hojerena ary anisan’ny mitondra ny fampandrosoana ny fambolena sy ny jono.
Tsiahivina fa 100 andro izao ny nanaovana ny Mihava Tour ka nahatsapan’izy ireo fa tena latsaka an-katerena ny firenena. “Tsy tafavoakanareo intsony ny baolina”, hoy izy. Hotohizana ny hetsika, araka ny nambaran’ny depiote Rabenirina Jean Jacques. “Soa fa teo izahay fa betsaka ny maharary ny vahoaka nefa tsy misy sehatra nilazan’izy ireo ny olana sy ny tsindrihazolena mahazo azy any lavitra any”, hoy izy.
Synèse R.




