Efa naparitaka any amin’ireo etamazaoro politika, tato ho ato, ilay drafitra miendrika Tetezamita “Gouvernement d’entente nationale intermédiaire pour les élections” (Genie).
Ny fifidianana handeha… Miala any koa anefa ny “Geni” efa novoizin’ny depiote isany, Razafimanantsoa Hanitra sy i Johasy Eléonore. Eo koa Ramanantsoa Herivelona sy Rakotovazaha Olivier. Ny minisitra teo aloha, i Beboarimisa Ralava… Namaly ny ahiahin’ny sasany momba izany no anisan’ny mpiketrika ny “Genie”, ny loholona teo aloha, Rasamoelina Brigitte, ny herinandro teo. Nohitsiny fa tsy mitovy amin’ny Tetezamita noho ny fanonganam-panjakana na koa krizim-pifidianana ity hatsangana ity. “Tsy manova rafi-pitondrana isika. Mijanona amin’ny toerany ireo olom-boafidy rehetra ho fanajana ny demokrasia”, hoy izy. Noferana hikarakara fifidianana fotsiny izany rafitra izany noho ny tsy fahatokisana ny Ceni sy ny HCC. Tsy handany volabe koa ny “Genie” fa hoferana ireo hiaraka ao anatin’izany. Tsy afa-kirotsaka hofidiana ireo mpikambana ary hoferana ny vola holanian’ny kandidà amin’ny fifidianana. “Hapetraka ny tribonalim-pifidianana eny ifotony ary hamoaka ny vokatra isam-paritra izany mba tsy hivangongo aty Antananarivo”, hoy izy, nanazava ny ampahan’ny “Genie”.
Re tsilian-tsofina fa efa mamariparitra ireo olona handrafitra ho amin’izany ireo mpiketrika azy ity. Ahitana olon’ny fitondrana sy avy amin’ireo eo anivon’ny fanoherana na koa ireo antoko lehibe izany. Eo koa ny tanan’ny iraisam-pirenena, ao ambadik’
izany rehetra izany…
Synèse R.




