Ramamimampionona Gérard : “Tsy ny politika no ilana filaminana”

“Lasa hirahira eny anivon’ny fiarahamonina ny filaminana sy ny fitoniana. Tsy amin’ny politika ihany izay. Eo indrindra koa ny maha olombelona : milamin-tsaina tsara ve hiatrika fifidianana? Zava-dehibe izay.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramami­mam­pionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Misy famakafakana ao anatin’ny filaminana rehefa misafidy.
Eo koa ny filaminana eny anivon’ny fiarahamonina manontolo. Ny eo amin’ny toekarena sy sosialy: manana ny maha izy azy ny olona. Sarotra, ohatra, ny nanao fifidianana tany amin’ny fokontany sasany fa misy manafika. Noho izany, tsy maintsy najanona ny fifidianana. Ilaina ny filaminana amin’ny lafiny rehetra. Toy ny olombelona ihany io: milamina ny fo, ny saina, ny fanahy, ny vatana. Toy izany koa ny firenena miatrika fifidianana: tony amin’ny politika, toekarena, sosialy…
Mety ho avy ao anatin’ny tsirairay ny tsy fitoniana, na avy any ivelany. Eo ny tsirairay mandinika: inona ao anatin’ny fo sy ny saina no mety hiteraka tsy fitoniana? Eo, ohatra, ny tsy fifehezan-tena amin’ny fomba fiteny, ny fampanjakana herisetra amin’ny lafiny rehetra… Fisorohana ny ny herisetra rehetra no hisian’ny fitoniana. Na herisetra amin’ny fiteny na fihetsika io, na amin’ny vola, na amin’ny fahefana …

R. Nd.

Partager sur: