Mois : juillet 2023

SOMBIM-BAOVAO

«Japan Tour», taranja baolina kitra. Resin’ny ekipa Cerezo Osaka Japana, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny klioban’i Frantsa ,Paris Saint Germain (PSG) diviziona voalohany. Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’i Yanmar Nagai Japon. Marihina fa indroa amin’ity izay i Luis Enrique no nitondra lalao ho an’ny PSG. “Sport Equestre”, anisan’ireo […]

Bisikileta – JIOI 2023 : miisa 12 ireo atleta lehilahy

Afaka 28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Anisan’ireo taranja hifaninanantsika, amin’izany, ny hazakazaka am-bisikileta «Cyclisme». Miisa 12 ireo natsoina voalohany na «présélectionné» ho an’ny sokajy lehilahy. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny filohan’ny federasiona […]

Lalaon’ny Frankofonia : hidona amin’i Tonizia ny Malagasy

Hanomboka anio 29 aogositra ny fifaninanana ho an’ny taranja basikety, ao anatin’ny lalaon’ny Frankofonia, tontosaina any Kinshasa RD Congo, ho an’ny solontena malagasy. Araka ny vaovao, nahitana fiovana ny fizaram-bondrona ho an’i Madagasikara. Hiatrika ny dingana fifanintsanana manoloana an’i Kameronina sy Tonizia ny Ankoay, raha toa ka tao amin’ny vondrona […]

Judo-Afrika, “Junior” : nahazo medaly telo i Madagasikara

Medaly 3 no norombahin’ny Malagasy, teo amin’ny sokajy Junior, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo. Medaly volamena iray sy alimo roa. Nanomboka ny zoma lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, “Junior” sy “Cadet”. Judokas malagasy tokana niatrika famaranana, teo amin’ny […]