Rivo-baovao ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahana ao Manakara ny Wifiber. Tonga ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny herinandro teo, nitondra io tolotra io ny ekipan’ny Orange Madagascar, notarihin’ny tale jeneraliny, Frédéric Debord. Nohainoana nandritra izany ny filan’ireo mpandraharaha sy mponina ao an-toerana enti-mampandroso ny asa fivelomany. […]
Mois : juillet 2023
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambilobe. Manana tanjaka 1MW ity tobim-pamokarana ity raha 800 KW isanisany kosa ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa miaraka aminy. Hahatratra 2.400 KW ny herinaratra hovokarina ao Ambilobe. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Mahatratra 3.750 ireo hisitraka ny fotodrafitrasa. […]
Fitomboana ara-toekarena : tsy nandroso tao anatin’ny telo volana voalohany 2023
Manangona ny antontam-baovao rehetra mikasika ny tontolon’ny toekarena ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsikariny fa nihemotra ny fandrosoana ara-toekarena teto amintsika, tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2023. Lafin-javatra maro no jeren’ ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) amin’ny toekarena eto amin’ny firenena. Manan-danja lehibe amin’ny lafiny fampandrosoana ny entin’ny mpandraharaha […]
Fikambanana Daholo : Tanora 12, nahavita fiofanana
Notolorana mari-pankasitrahana ireo tanora mpianatra 12, andiany faha-8 sy faha-9 eo anivon’ny fikambanana Daholo, ny sabotsy lasa teo. Nahavita fiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika (Young leaders dirigeants), momba ny fanamboarana savony vita amin’ny zava-maniry izy ireo. Nampiofanina avokoa izy ireo taorian’ny tetikasa niombonana sy niarahan’ny mpianatra, nampitondraina ny lohateny hoe : «Tolotanam-pivoarana». […]
«Festival des baleines» : Tontosa na maro aza ny sakana
Fanainga ho an’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana ny “Festival des baleines” andiany fahenina teo. Tsara ny tombam-bokatra ary feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie) nandritra ny herinandro mahery nanaovana ny hetsika. Na izany aza, betsaka ireo hetsika tsy tontosa noho ny haratsin’ny toetr’andro. Anisan’izany […]




