Mois : juillet 2023

TSELATRA

Lehilahy lehibe iray 77 taona nosamborin’ny polisy tao Toliara, ny faran’ny herinandro teo fa Nanolana zazavavy 8 taona. Manana fahatarana ara-tsaina io zaza io ka nohararaotin’ity lehilahy lehibe ity. Noho ny fanahiana, nentin’ny ray aman-dreniny nozahana ilay zaza. Niharan’ny fanolanana tokoa izy, araka ny fanamafisan’ny mpitsabo. Mpangalatra moto saron’ny polisy […]

Taksiborosy tra-doza : mpandeha telo namoy ny ainy, vehivavy iray voa mafy

Taksiborosy roa, miasa amin’ny zotra samihafa no nilatsaka anaty hantsana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany, Olona telo namoy ny ainy, Am-polony manaraka fitsaboana. Ny tranga iray, nampihoron-koditra ny mpampiasa ny lalam-pirenena fahafito, teo Ambohimaha, anatin’ny kaominina Alakamisy Ambo­himaha, ka nahafatesana lehilahy iray. Maty voapotsitry ny fiara raha nikasa ho any Fi­anarantsoa. […]

Trafikan-jaza: haondrana any Co­mo­res ny lasibatra

Naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany kaomorianina roa, voarohirohy ho tompon’antoka tamina fikasana hanondrana an-tsokosoko zazamenavava hihazo ny Nosy Como­res. Olona enina izy no ao anatin’ity tambajotrana mpanao trafikana zazakely ity. Nahasambotra azy ireo ny polisy miasa ao amin’ny “service central des enquêtes spécialisées”, Anosy. Ny 1 jolay lasa teo, saika […]

Mpampandro jiolahy: voasambotra i Rasta, mpilalao ody ratsy

Tra-tehaky ny zandary teny Ankadikely Ilafy i Rasta. Sady mpilalao no mpamatsy ody ratsy ny jiolahy eto an-drenivohitra. Mpidoroka sy mpivarotra zava-mahadomelina koa. Ela nikarohana azy ny mpitandro filaminana. Voasambotra tao an-tranony, teny Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, i Rasta,ny zoma lasa teo. Na­tolotra ny fampanoavana ny ampitso ihany. Nidoboka am-ponja avy hatrany afakomaly. […]