Mois : juillet 2023

Fahasalaman’ny saina: napetraka ny vondrona teknika hiasa

Napetraka ny volana aogositra 2021 ny Vovonana marolafy misy ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny saina tao anatin’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, izay niteraka voka- dra­tsy (fikorontanana, fahaketrahana sy fahakivian-tsaina tanteraka…) teo amin’ny sain’ny olona maro. Nanangana vondrona teknika ny Vovonana hanatanteraka ny drafitrasan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny saina eo anivono’ny minisiteran’ny […]

Iscam Business School: tanora 569 nahazo Licence sy Master

Tanora 569 ao amin’ny ivontoeram-pampianarana ambony tsy miankina Iscam no notolorana ny diplaoma manamarika ny nahazoany ny mari-pahaizana Licence sy Master tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny CCI Ivato. “Iriavo”, maniry ny tena lafatra, no nosafidian’izy ireo ho anarana hisalorana satria hitondra ny fahaiza-manaony ho an’ny tontolon’ny asa eto amintsika izy […]

Bakalorea 2023: Tsy mahasarika ny mpiadina ny sokajy C

Hotontosaina ny 17 jolay ka hatramin’ny 21 jolay ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Hitohy ny 24 jolay ka hatramin’ny 27 jolay kosa ny andiany faharoa ho an’ny fampianarana teknika sy teknolojika. «Nitombo 12,05% ny isan’ny mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea 2023 raha mitaha […]

TARATRY ny KANTO

Hisehatra indray, anio, ny Tropy Jeannette. Mbola ilay tantara “HM” ihany no hasehon’izy ireo etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Piesy klasika nosoratan-dRakoto de Mon Plaisir, ravahan’ny hiran’Andrianary Ratianarivo izy ity. Seho natao ho an’ireo mpianatra, izay hiangaviana hitondra ny karatra famantarana. Hifidy ny filohany ny Zanadranavalona. […]

« Cinéma » malagasy : miha matihanina ny mpamokatra sarimihetsika

Tontosa, omaly, teny amin’ny Canal Olympia Andoha­ta­penaka, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­rimihetsika « Lav’alina », no­vokarin’ny trano mpamokatra Manjaka Sary. Olo-manan-ka­ja sy matihanina eo amin’ny sa­rimihetsika no nanatrika izany lanonana izany. Ny rafi-tantarany sy ny kalitao teknikany no mampiavaka ity sarimihetsika ity ka nahavoafidy azy ho anisan’ny sarimihetsika nandeha […]