Hivoaka amin’ity taona ity ny andiana mpiofana taona 2021-2023 eny anivon’ny ivontoeram-piofanana rezionaly ara-pedagojia Antsirabe, ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tale misahana ny fampiofanana ara- pedagojia avy amin’ny minisitera foibe. Hivory indray rahampitso, eny Ankatso, ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces). Mbola maro […]
Mois : juillet 2023
Tetikasa Vision zero funds : arovana ny mpiofana amin’ny toeram-panofanana teknika
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny delegasiona avy amin’ny OIT, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Ao anatin’ny fanamafisana ny fampidirana ny fiarovana sy ny fahasalamana eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa ny tanjon’ny dinidinika. Ny OIT, amin’ny alalan’ny […]
Torohay ara-pahasalamana : 7 tapitrisa ireo nisitraka tombontsoa
Nanofana mpiasan’ny fahasalamana sy mpikirakira torohay avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miisa 1 800 ny tetikasa “Measure Malaria” izay tohanan’ny PMI. Tanjona ny hanangona sy hamakafaka ireo antontanisa sy angon-kevitra hitarihana ny politikam-pahasalamana sy ireo fandaharanasam-pahasalamana ary ireo tolotra ara-pahasalamana. Nandritra ny telo taona ny fanamafisana ny rafitry ny torohay ara-pahasalamana […]
BEPC : mpiadina 47 mila fanomanana noho ny tsy fahatomombanana
Fanadinam-panjakana faharoa no hizotra manomboka anio, manerana ny Nosy. Vonona ny fotodrafitrasa sy ny mpiasa hisahana ny fampandehanana izany. Hanatrika ny fisantarana, eny amin’ny CEG Ampefiloha, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, anio maraina. Manomboka anio ary haharitra hefarana, mpiadina 305 836 no hiatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy izay mitsinjara […]
Rugby – «XXL Top 20»: resin’Ankady tamin’ny moka fohy ny TFMA
Lavon’ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso), tamin’ny isa tery 17 no ho 16, ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Fihaonana, niadiana ny tapakila hiakarana eo amin’ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 20”. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly alahady. Niady ny fihaonana satria nitarika tamin’ny […]




