Mois : juillet 2023

Basikety – “World Cup U19”: Laharana faha-14 ny Ankoay

Nifarana, omaly, tany Debrecen Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona. Laharana faha-14 no misy ny Ankoay. Tafapetraka eo amin’ny laharana faha-14, ny ekipa malagasy, niatrika ny “World Cup U19”, taranja basikety. Tsy nahomby ny lalao fiadian-toerana nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Egypta, […]

TARATRY ny KANTO

Hotanterahina, anio, ao amin’ny Doany Miarinarivo, Mahajanga, ny Fitampohan’Andriamisara Efadahy Manankasina. Ny fianakaviamben’ny mpanjaka Sakalava sy Dina Herimisy Guy, Mpanjakaben’i Boeny no mikarakara ny hetsika. Fampandroana ny taolambalon’ireo Dady ahazoany ny anarana masina “Razana” no atao ao anatin’izany. Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Internationale Reggea Day 2023”, […]

Reko Band sy Rija Ramanantoanina : nohafanain’ny « Zara fitia » Antsahamanitra

Tarika sy mpanakanto roa samy manana ny mampiavaka azy. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Samy nihira ireo hira nahafantarana azy… Na namirifiry aza ny toetry ny andro, omaly, nafana ny teny Antsahamanitra. Nisan­tatra ny sehatra nitondra ny «Zara fitia» ny Reko Band. Hira mihetsiketsika nisesisesy avy hatrany no nisantaran-dry […]

Fanabeazana sy kolontsaina : 140 taona ny « Alliance Française »

Mizara telo lehibe ny asa sahanin’ny «Aliance Française» any amin’ny firenena misy azy. Fampianarana ny teny frantsay. Fampandrosoana ny famakiana boky ho an’ny rehetra. Fampivelarana ny kolontsaina amin’ny endriny rehetra. Ireo no nezahina nampahafantarina ny olon-drehetra, ny sabotsy 1 jolay teo, tao amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) etsy Andavamamba. Nampahafantarina […]

Tombokavatsa : Malagasy 15 hatramin’ny 65 taona voasarika

Tontosa, omaly, tetsy Ampasanimalo, ny hetsika “Havatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Nanatrika izany ireo tanora malagasy maro, mpankafy ny fanaovana tombokavatsa. Mihevitra ny ankamoroan’ny Malagasy fa rendrarendra sy natokana ho an’ny jiolahimboto ny fanaovana tombokavatsa, raha ny zava-misy. “Tsy fantatry ny Malagasy fa anisan’ny kolontsaintsika ihany koa iza­ny ka […]