Mois : juillet 2023

FANTINA sy FINTINA

Nalevina ny sabotsy teo, any amin’ny fasan-drazany ao Antanandava , kaominina Anjiamangirana, ny nofo mangatsiakan’ny depiote Jao Jean. Nifanitsa-kitro ireo vahoaka nirohotra nandritra ny fotoana naha teo am-bohitra ny razana ary samy nihetsi-po avokoa ny rehetra, hatrany amin’ny fiaretan-tory sy ny famangiana ka hatreny am-pandevenana. Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany […]

Zava-mahadomelina

  Anisan’ny imasoan’ny fitondrana amin’izao ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Izay rehetra mampiankin-doha no mahadomelina? Mahatonga ny olona iray tsy mandeha amin’ny sitrapony, tsy mahaleo na mahafehy tena… Mety mahadomelina, ohatra, ny fiankinan-doha tafahoatra amin’ny telefaonina, faniriana… Ny saina sy ny maha izy azy ny tena no vonto sy donto. Misy […]

Fifanatrehana tsy tanteraka : mifanilika ny governemanta sy ny Antenimierampirenena

Samy milaza ho tsy tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahatanterahan’ny fifanatrehan’ny roa tonta, ny 30 jona teo, na ny solombavambahoaka na ny governemanta. Tsy avy amin’ny solom­bavambahoaka ny tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana ny go­vernemanta. Io ny fanamarihan’ny filohan’ny Anteni­mie­rampirenena, Razanamaha­soa Christine, tamin’ny famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimie­ram­pirenena, teny Tsimba­zaza, ny faran’ny […]

TSELATRA

Vehivavy iray voaendaka tao amin’ny Pavillon Analakely, omaly tolakandro. Nikasa hividy entana izy no narahin’ny jiolahy roa. Ny iray mody mibahana eo aloha, ny iray kosa misintona an-keriny ny poketra nisadika teo amin’ny valahany. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy afa-nanoatra koa ireo mpivarotra sy ireo olona teo […]