Mois : juillet 2023

“Tetikasa WeLight”: nahazo jiro avy amin’ny masoandro ny any Antsenavolo

Notokanana ny 22 jolay teo ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Antsenavolo, distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Nahatanteraka azy ny tetikasa “WeLight”, izay tanàna faha-55 nametrahana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Nosy. Vao nahazo famatsiam-bola mitentina 19 tapitrsia euros avy amin’ny Banky eo­ropeanina ho an’ny fampiasam-bola […]

Taxi-be: hiakatra ho 800 Ar ny saran-dalana

Mitohy ny fidangan’ny vidim-piainana. Iharan’izany ny fitaterana izay mampiakatra ny saran-dalany koa ankehitriny. Mizaka ny vokany ny mpanjifa tsy misy mpiaro. Nanaraka ihany koa ! Nampiakatra 5% ny saran-dalany ny kaoperativa mankany amin’ny faritra, nanomboka ny sabotsy 22 jolay teo. Tsy niandry ela, fa nanara-davahana koa ny taxi-be eto an-drenivohitra, mivondrona […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny “Festival Dona Be”, tao Antsohihy. Vao andiany voalohany, saingy efa nahasarika ny mponina ity hetsika nokarakarain’i Dadi Love ity. Efa nahavory mpanakanto sy mpankafy maro ny hetsika, ka nampanantena i Dadi Love fa hitohy izany ary efa ho avy ny andiany faharoa. Tafahaona any […]

Tarika Mahaleo : hanafana Faha-50 taonan’ny ESPA Vontovorona

Feno 50 taona ny Sekoly ambony politeknika eny Von­tovorona. Tsy avela handalo fotsiny, fa homarihina amin’ny hetsika marolafy izany, raha ny fanazavana nentin’ny komity mpikarakara, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, omaly. Hotontosaina ny zoma 28 jolay izao ny fanokafana, izay hatao eny Vontovorona ihany. Anisan’ny fotoan-dehibe amin’io fotoana io ny […]