Mila miverina eny an-doharano e ! Manana ny fototra niandohany ny Malagasy e ! Aleo isika miresaka amin’ny teny malagasy madiorana e !…Ny vava no mitatatata fa tsy mifanitsy amin’izany akory ny atao. Maro ny sehatra itrangan’ny tahaka izany. Mahavita ny miteny ny zanany naterany ve ny ray aman-dreny […]
Mois : juillet 2023
Fampivelarana ny kolontsaina : tsy mahasolo mpampianatra ny « ampitain-davitra »
Tsy manam-potoana. Aty an-tany lavitra kanefa mba te hianatra… Vahaolana, fampianarana ampitain-davitra. Manomboka ahitana izany koa ny fampivelarana ny kolontsaina sy ny zavakanto. «Zoom », anisan’ny fomba hoenti-mampianatra ampitain-davitra maro mpampiasa. Na, atao ao anaty tahiry samihafa, alefa « E-mail », avy eo. Tsy vitsy ihany koa ny mampiasa ny […]
Kaominina Toamasina: mitaky fiovam-penitra mahery vaika ny fampandrosoana
Anisan’ny renivohitra ara-toekaren’ i Madagasikara i Toamasina. Faritra iray, ifangaroan’ny foko maro samihafa ihany koa. Samy manana ny fomba fahitany ny fandrosoan’ny tanàna avokoa ireo rehetra ireo. “Tsy mifandanja ny zava-misy any an-toerana satria somary takona ny maha renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara azy”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy tao Toamasina, Rakotonirina […]
FANTINA sy FINTINA
Hotanterahina manomboka anio, any Tanzania, ny fihaonana an-tampon’ny fampiroboroboana ny maha olona. Anisan’ireo filoham-panjakana afrikanina hiatrika izany ny filoha Rajoelina. Tsiahivina fa efa manana ny “Planina enti-mampandroso an’i Madagasikara (PEM)” ny fanjakana ka tafiditra ao anatin’izany ny maha olona. Nitondra fanazavana mikasika ny diany any Frantsa ny filoha teo aloha […]
Antoko Hiaraka isika : manohana ny eny ifotony, nanampy ny kaominina Dabolava
Nanolotra fanitso ho an’ny EPP any amin’ny kaominina Dabolava, any amin’ny distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe, ny herinandro teo, ny antoko Hiaraka isika. Ravan’ny rivodoza farany teo izany ka izao nitondra ny anjara birikiny izao ny ekipan’ny Jly Camille Vital. Tsy vitan’izany fa teo koa ny nanomezan’izy ireo fanamiana ho an’ny […]




