Mahafinaritra ny mahita ireo mpanao politika serintseriny amin’ny fanomanana ny fifidianana ho avy rehetra. Samy miolomay mitady mpiara-miombon’antoka any ivelany avokoa ny mpifaninana ho filohan’ny Repoblika. Manao ny ady sisika amin’ny mpanambola sy ny resaka diplomatika. Ny iraisan’izy mianakavy, tsy mbola mahazaka tena irery. Tsy maintsy miankindoha amin’ny vahiny […]
Mois : juillet 2023
Mpanohana ny filoham-pirenena : vaky ny ady eo amin’ny samy IRD/TGV Toamasina
Mitohy hatrany ny lonilony sy ny ady an-tranon’ireo mpanohana ny filohan’ny Repoblika. Voakasik’ity areti-mifindra ity ny IRD sy TGV ao Toamasina. Tsy takona hafenina intsony fa vaky tanteraka ny ady eo amin’ny samy mpanohana ny filohan’ny Repoblika eto Toamasina sy ireo mpiray lisitra tamin’ny ben’ny Tanàna aty an-toerana. Nifamaky bantsilana […]
TSELATRA
Voasambotra ireo telo lahy mpanapaka sady mpangalatra hazo ao anatin’ny faritra arovana Angavokely Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Saron’ny zandary tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo tsara sitrapo, nahitana hazo miisa valo teny amin’izy telo lahy. Efa anaty fiara ny dimy raha toa ka sarona tany an-tranon’ireo olon-dratsy ny telo. Naratra mafy […]
Nihorohoro ny mponina teny Ankasina : lasa ny volabe, jiolahy efatra nanafika mpanao Cash point
Nirefotra indray ny basin’ ireo jiolahy nandritra ny fanafihana mpanao Cash point iray eny Ankasina, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Jiolahy efatra nirongo basy mahery vaika no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Tampoka ny fisehoan’ny fanafihana satria ny roa tamin’ireo jiolahy niditra tao amin’ilay Cash point raha niandry teny ivelany kosa […]
Anosibe Angarangarana : jiolahy tratra teo am-pamakiana tranon’olona
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, omaly maraina, tamin’ny 1 ora sy sasany, teny Anosibe Angarangarana, ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Nihanika tambohon’olona izy. Tsy vitan’izay fa efa tafiditra tao an-trano izy tamin’io fotoana io. Tazan’ny tompon-trano anefa izy ka afaka niantso […]




