Mois : juillet 2023

Paul Rabary: «Afabaraka ny firenena»

« 63 taona niverenan’ny fahaleovantena, mbola fikarakarana fanadinam-panjakana no olana ho an’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Rabary Paul, tetsy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Navoitrany fa tsy voafehin’ny fanjakana ny toe- draharaham-pirenena. “Diso ny fanapahan-kevitra noraisina”,hoy izy. Niteraka fikorontan-tsaina tamin’ireo mpiadina ny fanoloana ny laza adina “Tantara […]

Korontana tamin’ny Bakalorea : mitaky fanazavana amin’ny minisitra ny MMM

Tsy mbola nifarana eo. Mangata-panazavana amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa ny loholona MMM, manoloana ny fiverimberenan’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea. Nohitsin’ny fanambaran’ny antoko Malagasy miara-miainga fa tranga efa niseho teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro nifanesy izany. Anisan’izany ny tamin’ny taona 2019 nefa […]

Vaovao tambatra

Hampiakarina ho 750 m3 raha 200 m3, anke­hitriny, ny rano kirakiraina ao an-tampon-tananan’Antsiranana I. Asa maika famatsian-drano any ny fokontany Mangarivotra, Tanambao Tsena, Tanambao Avaratra ary Maromagniry. Tetibolan’ny minisiteran’ny Rano, amin’ny alalan’ny tsenan’asam-panjakana, ka hahena ho 15 andro ny fe-potoana hisokafan’ny tolo-bidy. Hamboarina ny ampahan-dalana (RN 7) ao an-tampon-tananan’Antsirabe, mandalo any Mandanin­dre­saka […]

Ady amin’ny andiam-balala : velaran-tany 31 600 ha voatondraka fanafody

Fotoana manomboka mam­pirongatra ny andiam-balala izao ! Fiaraha-mitantana no nataon’ny Ivontoerana fa­mongorana ny valala eto Ma­da­gasikara (IFVM), nanomboka volana novambra 2022. Miisa 200 ny andiam-balala novonoina, notondrahana fanafody, tamin’ny velaran-tany mi­refy 31 600 ha. Toerana tena nahitana andiam-balala ny any amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, toy ny any Manja, Betioky, […]

Ranomasimbe Indiana : fiatrehana ny loto an-dranomasina

Mikarakara hetsika miaraka ny Foibem-paritra mpandrindra (RCOC) sy ny Foibem-paritra iombonan’ny sampandraharaham-baovao an-dranomasina (RMIFC), ahitana ny hery ara-tafika misahana ny fiarovana an-dranomasina any amin’ny ranomasimbe Indiana, tapany andrefana. Nanomboka ny taona 2018 ny nisiany, ary hisy ny fanazarantena manoloana ny fahalotoan’ny ranomasina, ny 25 hatramin’ny 27 jolay 2023 izao any […]