“Fantatro fa tena mifanara-bintana tokoa izaho sy ny faritra Sava. Henoko ny fitarainanareo momba ny fihariana lavanila”, hoy izy. Nanteriny fa tena potika tanteraka izany amin’izao fotoana izao. Nametraka fanamby ny hamelomana indray io sehatra io ny tenany tamin’izao fihaonana izao. “Voaraiko ny lakilen’ny lavanila nomenareo ahy….
Ho avy ny fotoana ka hosokafantsika ary harenintsika miaraka io sehatra io mba ho tombontsoa ho antsika vahoaka”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa efa ela niandrasana ny mpanorina ny HVM ny any Sava ka tonga izao ny fotoana. Naverimberiny ny teny fanevan’ity filoha teo aloha ity : “Mino aho fa mbola hisandratra i Madagasikara indray andro any”, hoy izy.
Nitohy tany Antalaha, omaly, izao fihaonan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery ny any Sava izao. Hihazo ny any Andapa aorian’izany raha any Ampanefena Vohemar kosa ny alakamisy 10 aogositra izao. Hihazo ny any Diana indray ny tenany ny zoma izao ka hihaona amin’ny vahoakan’ Ambilobe.
Tsiahivina fa avy tany Farafangana sy Manakara ary niatrika ny fotoam-bavaka tany Ankaramalaza ny mpanorina ny HVM, mialoha ny diany mianavaratra.
Synèse R.




