“Tena mahagaga, misy hatrany ny fanakantsakanana hatramin’izao”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny fivorian’ny antoko tarihiny, teny Faravohitra, afakomaly, manoloana izay heveriny ho sakantsakana mialoha ny fampielezan-kevitra. Raha te hiasa amin’ny fangaraharana sy te hanitsy an’ireo olona zatra ny lalan-dririnina ny tena, milaza mazava tsara: aza mitanila ianareo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, aza miandany amin’ny fitondram-panjakana. Feo mandeha any amin’izao fotoana izao, atao izay hampandaniana ny eo amin’ny fitondrana.
Miainga avy any ifotony na any amin’ny fokontany ny safidim-bahoaka. Tsy tokony hahodinkodina ny safidim-bahoaka. Aleo izy hisafidy tsara izay olona tena tiany hitondra azy.
Tokony hanara-dalàna avokoa ny rehetra, manaraka tsara ny Lalàmpanorenana. Tsy mety io ataon-dry zareo eo amin’ny fitondrana manendritendry fokontany io. “Iza no milaza fa tsy misy fokontany matoatoa any ambadika any? Tena misy izany ary omenay anareo ny porofo”, hoy izy. Amin’ny biraom-pifidianana, efa misy mitady hanao sahady izay ho mpikambana amin’izany. Tsy maintsy jerena hoe aiza avokoa no misy fokontany: firy ny biraom-pifidianana misy ao, firy marina ny isan’ny fokontany, firy marina ny isan’ny biraom-pifidianana?
R. Nd.




