Mois : août 2023

Tselatra

Trano fivarotana misy rihana iray niharan’ny firehetana tao Antohomadinika afovoany, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nandraraka “diluant” tao ambony rihana ny tompon-trano ka niraraka tampoka tamin’ny afo. Niteraka ny fahamaizana tao ambony rihana izany. Voafehy ny fokonolona ny firehetana. Raim-pianakaviana iray noleran’ny jiolahy antsy teny Anosizato Andrefana, afakomaly alina. Lasan’ny […]

Moramanga : ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mpanao fanafihana

Naiditra am-ponja ao Mo­ramanga omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra tao Moramanga. Ny sabotsy 12 aogositra teo, nitrangana fanafihana tao amin’ny toeram-pivarotana iray eo amin’ny lalana garavaky. Nanao fisafoana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo momba ity fanafihana ity. Nahita olona maromaro […]

Hetsika « Tselatra » : maty voatifitra i Tsedy sy i Tsaravela

Nifanehatra tamin’ireo miaramila mpampandry tany anatin’ny hetsika « Tselatra » sy ireo antoko voalohany ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Matitanana, afakomaly. Tao an-tanànan’i Lohamanga, fokontany Fenoarivo 2, kaominina ambanivohitr’i Labohazo, distrikan’i Farafangana. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ireo jiolahy antsoina hoe Tsedy sy Tsaravela no nifanehatra tamin’ny miaramila. Naharay antso momba ny […]

Antohomadinika ; trano 18 levon’ny afo, fongana ny entana rehetra

Lasa lavenona tanatin’ny indray mipi-maso ny entana sy ny biby fiompy tetsy Antohomadinika, omaly. Tokantrano 18 may noho ny antony tsy fantatra mazava. Trano biriky telo niampy trano hazo am-polony, hotohoton’ny afo, teny amin’ny fokontany Antoho­madinika afovoany, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora sy sasany. « Niainga tamin’ny trano hazo iray nisy mpivarotra […]