Mois : août 2023

Mponina 1 800 000 voatsinjo: natomboka ny asa fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra

Hitondra fivoarana tsara ho an’ny fahadiovan’ny rivotra eto Antananarivo ny fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra. Hifarana ny taona 2026 ny tetikasa ary hanohana amin’ny fahazoana fitaovana enti-miasa ny Japone. Natomboka omaly ny asa ho fanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny tetikasa « Gesda » na Fanatsarana ny fitantanana ny fako ho […]

TARATRY ny KANTO

Ao anatin’ny famerenana ireo mpanao soradihy hanatontosa ny lanonam-panokafan’ny “Lalaon’ny Nosy”, ny 25 aogositra ho avy izao. Ireo maneho ny dihy mampiavaka ny foko rehetra misy eto Madagasikara no niakatra teo amin’ny kianja Barea, omaly. Manohy kosa ireo amin’ny sehatra hafa, ary miara-miatrika ny famerenana farany, ny 22 sy 23 […]

Toamasina – Fi.Mpi.Ma : hofaranana anio ny « Herinandron’ny kabary »

Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy. Ho­faranana, anio, any Toama­sina ny « Herinandron’ny Ka­bary » andiany faha-17. Efa nisantatra tsikelikely io hetsika famaranana io ny fandaharam-potoana notontosaina, omaly. Fitsidihana ireo toerana manan-tantara sy faka iorenan’ny kolontsaina ma­lagasy any amin’iny faritra atsinanan’i Madagasikara iny. Tafiditra tao anatin’izany ny seranan-tsambo. « Hianoka ny […]

« Slam nationale 14 » : mitohy ny fifaninana isam-paritra

Tontosaina anio, ny fifaninanana hamaritana ny hisolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina, amin’ny « Slam nationale 14 ». Eny amin’ny Alliance Française, amin’ireo tanàna ireo no hanatanterahina izany fifaninanana izany. Ny Madagaslam, miaraka amin’ny vondron’ny mpiangaly Slam amin’ireo toerana ireo no mikarakara ny hetsika. Olona roa no andrasana sy hisolo tena ny […]

« Festival Sôrogno » andiany faha-24 : handrasan’Ambanja ny sehon-dry Dadi Love, Sisca, Lico …

Hetsika mandritra ny efatra andro ary fampisehoana mandritra ny 4 alina. Hivelatra kokoa ny « Sôrogno” ao Ambanja amin’ity, raha ny fandaharam-potoana sy ny fanomanana azy. Tsy mbola tapaka mihitsy isan-taona ! Hiditra amin’ ny andiany faha-24 ny « Festival Sôrogno » fanao ao Ambanja amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 24 hatramin’ ny 27 […]