Mois : août 2023

Ravalitera Jacques Michaël : Ravalitera Jacques Michaël

“Tsy polisy ny firaisamonina sivily, ka ny zavatra tsy mety hatrany no resahina”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël, teny Alarobia, omaly, momba ny fiaraha-miasan’ny firaisamonina sivily sy ny Ceni amin’ny fiatrehana fifidianana. Marina fa manao fanairana ny asany, manara-maso ny asan’ny fanjakana. Ao […]

Kolikoly ara-panahy !

  Masina ny tanindrazana ! masina koa anefa ireo masina ka tsy tokony ho zimbazimbaina sy lalaovina amin’ny resaka politika. Iaraha-mahita ankehitriny fa zary tafiditry ny kajikajim-pifidianana ny antokom-pivavahana na antokom-pinoana iray. Taiza hatrizay no misy fikambanana mitondra ny anaran’i Kristy, manolotra kandidà ho filohan’ny Repoblika. Ny antokom-pinoana lehibe rahateo efa […]

Fianakavian’ny filoham-pirenena : nahazo tsodrano tamin’ny Papa ray masina Fransoa

Manao fitsidihana masina any Vatican ny filohan’ny Repoblika ombam-bady aman-janaka. Nitsodrano azy ireo sy ny vahoaka Malagasy ny ray masina Fransoa. Manao fitsidihana manokana any Vatican ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’izy ireo sy ny ray masina, tao amin’ny birao fiasany. Nanotrona azy ireo […]

TSELATRA

Olona iray namoy ny ainy voadonan’ny kamiao tao Ilafy, Avaradrano, afakomaly. Tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny tamboho io fiarabe io. Olona roa voafaoka ka maty tsy tra-drano ny iray. Nen­tina namonjy hopitaly ny iray naratra mafy. Pasitera amina fiangonana zandriny iray tratra nangalatra moto tao Ambohiman­gakely, afako­maly. Very moto ny lehilahy […]

Talatamaty: jiolahy raindahiny roa lahy maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny tratra tao “Bemoka”, fokontany Ambohi­nambo, kaominina Talatamaty, distrikan’ Ambohidratrimo, omaly maraina. Anisan’ny namoahan’ny fitsarana didy fikarohana noho ny asa ratsy nataony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Tomponantoka tamin’ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalan’Andra­notapahana, ny 4 jona lasa teo, ny […]