6 mirahalahy mianaka ireo mpitsara iraisam-pirenena, amin’ny taranja Tae-kwon-do, mandritra ny lalaon’ny Nosy, hotanterahina eto Madagasikara, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Anisan’ireo voafantina ao anatin’izany, Randriamiandrisoa Nicolas de Gonzague. Raha tsiahivina, mipetraka any Frantsa ny tenany ary manampahaizana manokana amin’ny fihetsika mirindra “poomsae”. Efa nandrombaka ny […]
Mois : août 2023
Golf «Tournoi Inter-Iles 2023”: miisa efatra ireo Nosy rahavavy hifaninana amintsika
Amin’izao vanim-potoanan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023 izao, anisan’ny taranja hanaovana lalao fampirantiana ny Golf. Manana ekipa solontena roa i Madagasikara. Hotanterahina eny amin’ny Golf du Rova Andakana, manomboka ny 22-25 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana iraisan’ny Nosy “Golf Inter-Iles 2023». Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany: i Madagasikara, […]
INDRAY MIJERY
66, 32 % ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny faritanin’Antsiranana, ho an’ity taona ity, 11 468 ireo nahazo ny mari-pahaizana ka ny 10 616 (64, 96 %) amin’ireo avy amin’ny fampianarana ankapobeny. 56,96 % ny taham-pahafahana ho an’ny faritanin’i Mahajanga ary 56,35 % amin’io ho an’ny fampianarana ankapobeny. Nisitraka fanampin-tsakafo miisa 952 […]
Sekoly tsy miankina : mbola marisarisa ny fisoratana anarana
«Tapa-bolana mialoha ny 4 septambra, tetiandro hisantarana ny taom-pianarana 2023-2024, mbola marisarisa ny fisoratana anarana eny amin’ ny sekoly tsy miankina amin’ ny fanjakana», hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. Amin’ny sekoly iray eny Itaosy, mpianatra 20 no namandrika toerana fa hanaraka […]
YALI 2024 : misokatra ny fisoratana anarana
Nanomboka ny talata teo ary hitohy hatramin’ny 12 septambra ny fisoratana anarana sy fandraisana antontan-taratasy ho an’ny fandaharanasa «Young African Leaders Initiative (YALI) Mandela Washington Fellowship” ho an’ny taona 2024. Manana hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ianareo tanora liana amin’izany hameno sy handefa ny antontan-taratasy ao amin’ny tranonkala mwfellows.info/apply […]




