Mois : août 2023

Fifanakalozana ara-barotra : hiaraka hiasa i Madagasikara sy Israely

Hisokatra amin’ny firenena Israelianina ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasi­kara. Maro ireo mpandraharaha israelianina maniry hitady lalambarotra eto amintsika. Manana tany midadasika i Madagasikara raha manana fahaiza-manao sy traikefa maro azo ampiharina eo amin’ ny sehatry ny angovo, ny fampiroboroboana ny indostria, ny niomerika, ny fambolena sy ny fiompiana ary fizahantany […]

Tetikasa Papriz 3 : mihoatra ny 5t/ ha ny taham-pamokaram-bary

Nanao tomban’ezaka momban’ny famokaram-bary tamin’ny alalan’ny tetikasa Papriz, 3 natao teto Madagasikara, ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vokatra, mihoatra ny 5t/ha ny taham-pamokarana izay azo tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana teny ifotony niarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra. “Nisy ny fanamafisana sy fampitomboana ny fampiofanana izay […]

Fitaterana : mpamily roa ho an’ny zotra mihoatra ny 600 km

Mitombo ny fifamoivoizana eny amin’ny lalampirenena amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Tsy maintsy mandray fepetra ny fanjakana, hitsinjovana ny mpandeha, satria maro ny ambana, loza, mety hitranga. Namoaka fepetra ny mi­nisiteran’ny Fitaterana ny famantarana ny toetr’ andro, mikasika ny fepetra tsy maintsy arahin’ny kaoperativa sy ny mpitatitra amin’izao fo­toana mahamaro ny […]

Antananarivo: hiverina ny rotsakorana amin’ny alatsinainy

« Hiverina indray ny rotsakorana amin’ny fiandohan’ny herinandro ary voakasika ny eto Antananarivo”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Tsy marin-toe­rana ny atmosfera ka ny oram-baratra sy orana tandrifin- drahona no hitranga ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy rehetra hatrany Melaky sy Betsiboka. Anio, momba ny […]

Fampianarana teknika : hosantarina ny 18 septambra ny taom-pianarana

Mizara telovolana telo ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana momba ny asa, araka ny fampahafantarana nataon’ny minisitera mpiahy. Hosantarina ny 18 septambra ny telovolana voalohany ary hifarana ny 22 desambra ho avy izao. Misy fiatoana ny fampianarana ny 28 oktobra hatramin’ny 5 novambra anatin’ny fotoana fahatsiarovana […]