Mois : août 2023

Ampataka Ambositra: zanakazo fihinam-boa 50 fototra voavoly

Nanao fizaran’asa momba ny tontolo iainana tany Ampa­taka Ambositra, ireo mpianatra sivy mianadahy, avy amin’ny oniversiten’ny Suptop ao amin’ny Akany Iarivosoa Anosibe. Notanterahina ny 25 hatramin’ny 31 jolay lasa teo izany. Namboly zanakazo (voasary, manga, café) 50 fototra sy nampianatra ny fanaovana zezika compost izy ireo, nandritra izany. « Tanjona ny […]

Kaominina Ankadikely Ilafy: tanimbary 613 ha voatondraka rano hamokarana

Nisitraka fotodrafitrasa goavana ny tantsaha eny Belanitra. Tanimbary midadasika no hisitraka rano ka ho azo volena ato ho ato. Avy amin’ny vovonana (AMM) no nahafahana nanao izany. Anisan’ny nisitraka fotodrafitrasa ahafahana mi­tarika rano ho an’ny fambolena avy amin’ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), i Masy Goulamaly, ny eny […]

Indray mijery

Nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny rahampitso, ao amin’ny lycée manara-penitra Ambovombe Androy, ny fampiofanana ireo talen-tsekoly 470 sy lehi­ben’ny fari-pitantanana ara-pedagojia 23. Mahakasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana ao amin’ny fari-piadidiana Ambovombe, miaraka amin’ny Unicef. Nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny Seces Antsi­ranana. Hiroso […]

Hamorona asa ho an’ny tenany: Vehivavy 6 000 hofanina amin’ny fandraharahana

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofana arak’asa sy ny fikambanana Zara Hasina. Vehivavy 6 000 no hofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampivoarana ny maha olona. Tafiditra indrindra amin’ny fampiharana ny fio­fanana faobe ny hetsika ary haharitra efa-bolana ny fio­fanana. Hotontosaina eto Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa sy […]

Sampana Mpanazava sy Tily FJKM: Fanamby ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny maro

Lasy lehibe ho an’ny Sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) sady fanamarihana ny faha-30 taona nijoroany Ambohidratrimo. Fanamby ho an’ny 30 taona manaraka ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny rehetra. Mamolavola olom-banona sy vonona no tanjona. Ivon’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampati FJKM sy ny lasy lehibe eny Ialanana, Ambohidratrimo. Fanamby, […]