Mois : août 2023

Tarika rebika: hiaka-tsehatra avokoa ny mpikambana hatrizay

Hanatanteraka fampisehoana ao Antsahamanitra, ny alahady 13 aogositra 2023, ny tarika Rebika. Ho hita mandritra ity fampisehoana ity avokoa ny mpikambana nandrafitra ny tarika hatramin’izay. Fampisehoana natao ho an’ny rehetra no nomanin’ny mpikarakara sy ny tarika, miaraka amin’ny hira nankafizana ny tarika Rebika. “Vonona tanteraka ny tarika hitondra seho mahafinaritra […]

Vanim-potoana fialantsasatra: mitombo ireo liana amin’ny haikanto sy kolontsaina

Niakatra, raha oharina amin’ny mandavan-taona, indrindra tato anatin’ny 2 taona farany, ny isan’ny ankizy sy tanora liana amin’ny haikanto sy kolontsaina samihafa, ao anatin’ izao fialantsasatra izao, araka ny voalazan’ny tomponandraikitra isaky ny ivontoerana. Nitombo isa ny mpikambana na mpianatra eny anivon’ny ivontoerana kolontsaina sy fianaranana zavamaneno sy dihy anatin’izao […]

VAOVAO TAMBATRA

Haverina ny fampiasana ny fitaovana fandanjana ny fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Hokitihina ny tetibola anatiny ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM) sy ny ao amin’ny Asa vaventy (MTP) entina hanatanterahana ireo. Anisan’ny ahitana fandanjana ny eny Ambohimalaza (RN 2), Maevatanana (RN 4), sns. Nankatoavina ny drafi-panajariana ny jono […]

Seranan-tsambon’i Toamasina : hampiasa ny haitao ara-kajy mirindra

Mbola mitohy ny asa fanatsarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola niaraka tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, ny talata teo. Nanotrona ity fitsidihana ity ny solontenan’ny fadintseranana, ny mpitandro filaminana, ny avy ao amin’ny “Société du port à gestion autonome […]