Efa miloko fety sy fifidianana eto an-tanàna, manginy fotsiny ny vakansy. Samy manao izay mahafalifaly ny sainy sy ny fony ny rehetra. Ny lalaon’ny Nosy efa manakaiky. Tsy tonga lafatra ny fanomanana saingy fanamby ny hahavita izany araka ny niheverana azy. Mirongatra ny fanankianana sy ny tsikera, manodidina ny […]
Mois : août 2023
Fitsinjaram-pahefana miabo : mila filaminana politika ny fanatanterahana
“Ny tsy filaminana politika no olana tena atahoran’ny rehetra. Raha milamina sy tony tsara isika amin’ny lafiny politika, tsy misy olana goavana ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana miabo”, hoy ny tale jeneralin’ny fitsinjaram-pahefana eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, Rabetahina Pascal Pierrot, ny amin’ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Efa vonona ny mpiara-miombon’antoka amin’ny […]
TSELATRA
Olona roa namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ilempona, anatin’ny RN7, omaly maraina. Nandeha mafy, nifatratra anaty tanimbary ny taksibrosy iray. Nahatratra 12 ireo naratra. Olona efatra koa naratra vokatry ny fivadihana taksibrosy iray teny amin’ny RN1. Vehivavy iray voasambotry ny zandary tao Anjeva noho ny fivarotana zava-mahadomelina, […]
Anosipatrana : jiolahy telo lahy rotiky ny bala
Nataon’ny polisy hazalambo, maty voatifitra ny jiolahy telo lahy teny Anosipatrana, omaly. Malaza ratsy amin’ny fanafihana eto an-drenivohitra sady mampihorohoro ireto olon-dratsy ireto. Efa nikononkonona hanao fanafihana mpamongady iray teny amin’ny manodidina io fokontany io izy ireo. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, nidina ifotony ny polisy. Nifanehatra tamin’ireo jiolahy […]
Hasarotam-piaro : maty nolerany antsy ny rafilahiny
Namoy ny ainy vokatry ny tsatok’antsy ny lehilahy iray tao Analabe, fokontany Ambatolahy, kaominina Ambohinamboarina, distrika Ambohimahasoa, ny alin’ny talata hifoha alarobia 9 aogistra teo. Namonjy lanonana fitokanana trano ny lehilahy iray sy ny namany. Nifanena tamin’izy ireo tao an-toerana ny lehilahy iray hafa, noahiahian’izy ireo ho sakaizan’ny olon-tiany. Raikitra […]




