Notsindrin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, omaly, fa mitohy ny famatsiana solika ny Jirama, hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra. Misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpitatitra solika, toy ny raharaham-barotra rehetra. Nomarihiny kosa fa «taratasy tokony ho nalefan’ny fikambanan’ny mpitatitra solika (APTH) tany […]
Mois : août 2023
Fanarenan-dalana : miisa 43 ny zotra hamboarina eto Antananarivo
Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny asa fanarenana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Maharitra 6 herinandro ny fe-potoana hanarenan’ny orinasa ny zotran-dalana iray. Mandeha ny asa ! Manampy ny kaominina CUA sy ny faritra Analamanga amin’ny fanarenana ny lalana potika eto an-drenivohitra, ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Nilaza ny talen’ny […]
Groupement des forces spécialES d’intervention (GFSI) : Sivana manokana ny handraisana ireo miaramila
Manana ny hery vonjitaitra manokana ho azy ny Tafika Malagasy na ny Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI). Miasa mangina saingy efa nahavita iraka maro. Miasa mangina hatrany ny hery vonjitaitra fiandry eo anivon’ny Tafika Malagasy, izay manana ny toby famaharany eny Ivato. Mifanome tanana amin’ireo antokon-tafika telo (an-tanety, an-dranomasina […]
FANTINA sy FINTINA
Haneho ny heviny momba ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko UNDD. Hotanterahina eny amin’ny trano fonenan’ny Pr Zafy Albert, Villa Franchise Ivandry izany ary iantsoana ny mpanao gazety. Tsiahivina fa mivoy hatrany ny fampihavanam-pirenena ity antoko ity. Mpanao politika fahatelo, noraisin’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, ny […]
“10 aogositra”: nihaona tamin’ny vahoaka ny mpanao politika
Teny an-kianja avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao politika tamin’ny fanamarihana ny 10 aogositra, omaly. Anisan’ izany ny teo anivon’ny RMDM, nanatanteraka fihaonana tetsy Bel Air. Nanamarika ny fahefa-taony nijoroany sady nampahatsiahy sy nampitaha ny 10 aogositra 1991 sy ny iainana amin’izao fotoana izao. “Fanavotam-pirenena ho an’ny demokrasia sy ny fampandrosoana izao raha […]




