Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Elgeco stadium By-Pass, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra amin’ny fanomanantenan’ny roa tonta amin’ireo lalao iraisam-pirenena hatrehiny atsy ho atsy. Raha tsiahivina, lalaon’ny Nosy ho an’ny Barea de Madagascar ary fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona ho an’ny ekipa tompon’ny amboara aty […]
Mois : août 2023
Asief : hatao any Nosy-Be Hell Ville ny andiany manaraka
Hifarana tanteraka afaka 2 andro ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des Fonctionnaires), tanterahina eto Toamasina. Efa fantatra sahady ny toerana hanaovana ny andiany manaraka, taorian’ny fikaonandoha nataon’ny mpikambana teo anivon’ny Asief. Araka izany, any Nosy-Be Hell Ville indray ny hanaovana ny fifaninanana Asief, […]
Efa indroa nigadra : lehilahy nisandoka ho kolonely voasambotra
Tratran’ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho kolonely hatry ny ela teny Soamanandrariny, Ambohimangakely, afakomaly. Milaza azy ho manamboninahitra ambony, mahavita mamoaka olona any am-ponja ity kolonely sandoka ity. Efa mananika ny faha-64 taonany, reseny lahatra amin’ny filaza masaka ireo sendra azy. Vitany avokoa ny mamoaka ny gadra mamita sazy […]
INDRAY MIJERY
Hotanterahina eny amin’ny FJKM Ialanana Vavolombelona, synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA-10) ny fanamarihana ny faha-30 taona niorenan’ny sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Haharitra 4 andro ny fanamarihana izany eny an-toerana izay hihaonan’ireo Sampati manerana ny Nosy. Nomena fiofanana ireo tomponandraikitra isam-paritra eo anivon’ny fikambanan’ny varira eto Madagasikara. […]
Fizarana fisotroan-dronono : mitohy ny fanajana ny tetiandro napetraka
Hanomboka anio ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ ireo zokiolona eto Analamanga ho amin’ity volana aogositra ity eny anivon’ireo Perceptions Principales sy ny TMA ary ny TPIC. Ho an’ireo mpisitraka manana laharana miafara amin’ ny 0-1-2 no mandray ho an’ny anio alakamisy 10 aogositra. Anjaran’ny manana laharana miafara amin’ny 3-4-5 kosa […]




