Mois : août 2023

Vangaindrano : nofanina ireo mpanentana ara-pahasalamana.

Mbola maro ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Vanganindrano. Hampihatra paikady mifanaraka amin’ny zava-misy any an-toerana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ady amin’ny tazomoka. Anisan’izany ny hahafahan’ny mpanentana ara-pahasalamana mitily sy mitsabo ny tazomoka ho an’ny olona rehetra. Nomena fiofanana, araka izany, ireo mpanentana ara-pahasalamana miisa 320 any an-toerana. Indroa […]

“Festival des œufs” andiany faharoa : hisarihana ny olona hanjifa atody sy hiompy akoho

Sakafo feno, mahavelona, ny atody nefa mbola ambany ny tahan’ny fihinanana azy eto amintsika. Manomana hetsika hanomezana lanja ny vokatra mandritra ny hateloana ny fikambanana 2A any amin’ny 37 km miala ny Reni­vohitra, ao Antanetibe Mahazaza. Eto Madagasikara, mihinana atody 20 isan-taona ny olona iray, raha atody 200 isan-taona ho […]

Loholona Ramanambitana Richard : “Tsy mety ny fiaraha-mitantana telo volana mialoha ny fifidianana”

“Tsy mety eto amin’ny tany sy ny fanjakana intsony ny fiaraha-mitantana, telo volana mialoha ny fifidianana filohan’ ny Repoblika”, hoy ny loholona sady filohan’ny Ifi, Ramanam­bi­tana Richard, momba ny toe-draharaham-pirenena. Izay fiaraha-mitantana izay no hanimbana ny asa tsara vi­tan’ny fitondrana. Mbola hahavitan’ny fitondram-panjakana zavatra tsara ho an’ny vaho­aka izany telo […]

Fianarana sy fiofanana: Te handeha lavitra amin’ny politika Rotsiniaina

Nambaran-dRotsiniaina Herimalala fa anisan’ny nanamarika ny fiainany ny naka tahaka ireo raiamandreny ao anaty fianakaviana. Nisehatra tamin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy ireo, teo anivon’ny distrika sy ny kaominina na koa tamin’ny sehatra tsy miankina. “Nandray andrai­kitra tsikelikely teo amin’ny mpianatra sy ny fikambanana: Manda sy Mafami ary TMMM aho […]

Tantaram-pirenena : 32 taona ny “Raharaha 10 aogositra”

Tsy tsaroana intsony? Na iniana hadinoina… 32 taona ny “Raharaha 10 aogositra”. Inona ny marina? Tsiahy sy tantara fohy… Taorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, marsa 1989, nisy ny fitakiana governemanta tetezamita. Nanomboka teny amin’ny kianja Coum, 67 ha , ny 1 mey 1991, ny hetsika, narahina fidinana an-dalambe sy fitokonambe. Notakina […]