Mois : août 2023

Fitsidihana any Sava : nomena ny lakilen’ny lavanila Rajaonarimampianina

“Fantatro fa tena mifanara-bintana tokoa izaho sy ny faritra Sava. Henoko ny fitarainanareo momba ny fihariana lavanila”, hoy izy. Nanteriny fa tena potika tanteraka izany amin’izao fotoana izao. Na­metraka fanamby ny hamelomana indray io sehatra io ny tenany tamin’izao fihaonana izao. “Voaraiko ny lakilen’ny lavanila nomenareo ahy…. Ho avy ny […]

Tale Jeneralin’ny CNaPS : « Tanjona ny hamerina ny fahatokisana »

Notanterahina, omaly, teny amin’ny CNaPS Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, Tsaboto Joslina, sy ny tale jeneraly vaovao, Rahaingonjatovo Vimbina. Nanatrika izany Razafimanatsoa Jerison, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy sy Randrianasolo José, talen’ny filankevi-pitantanan’ny CNaPS ary ireo solontenan’ny mpiasa. “Laharam-pahamehana ny […]

Maître Olivia Razafindrahasy : « Tsy fahefan’ny mpisolovava ny manakana ny asan’ny vadintany… »

Niharan’ny herisetra ny vadintany nandritra ny fanatanterahana didim-pitsarana, teny Isotry, ny sabotsy teo. Mpisolovava iray no voalaza ho nampiasa hery taminy. Teny fanambaniana miharo herisetra no nataon’ny mpisolovava iray tamin’ny vadintany nanao ny asany. «Misy mpisolovava sasantsasany miseho ho ambonin’ny lalàna. Asanay ny manatan­teraka didim-pitsarana. Tsy fahefan’ny mpisolovava mihitsy ny […]

Sombim-baovao

Baolina kitra. Tsy afaka ny hiatrika ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao Rakotoa­risoa Baggio, Malagasy mpilalao baolina kitra, noho ny ratra mahazo azy. Tsy anisan’ireo mpilalao hifanandrina amin’i Angola ihany koa ny tenany. Mondial vehivavy. Notanterahina, omaly, […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : mandady ny trambo ho an’ny Malagasy

J-15 amin’ny fanombohan’ ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe In­diani­na anio. Fihaonana hotanterahina eto Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana fa­rany avokoa ireo firenena re­hetra handray anjara amin’izany. Mila mailo ny Malagasy, satria ho mafy ny hiady ny medaly volamena sy ny filaharana voalohany amin’ity. Mila miezaka mafy ireo federasiona isanisany […]