Mois : août 2023

Karate : Atleta roa no mandeha any Maroc

Hotanterahina any Casa blanca Maroc, manomboka ny 14 – 20 aogositra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate. “Tsy handray anjara amin’io fifaninanana afrikanina io ny sokajy “sénior” noho ny lalaon’ny Nosy, saingy hisy atleta mianadahy zandriny ho any an-toerana”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasiona karate […]

Kitra – « Amboaran’ny Filoha »: hiady ny loka lehibe ireo faritany enina

Hanomboka hiaina lalaom-paritany indray ny Malagasy mpankafy baolina kitra. Hifanintsana eto an-drenivohitra avokoa ireo faritany enina mandray anjara amin’ny “Coupe du Président 2023”. Hotanterahina ny 10 – 20 aogositra ho avy izao, eto an-drenivohitra, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara “Coupe du Président 2023”. Araka ny valandresaka natao tamin’ireo mpanao gazety, […]

Fitsinjovana ny mponin’Antananarivo : nohamorain’ny CUA ny fampidirana jiro sy rano

Anisan’ny tapaka nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo farany teo fa hamoraina ny fangatahana fampidirana jiro sy rano eto an-drenivohitra manomboka izao. “Azon’ny tompon’ny trano atao ary manana porofo amin’ny fandoavan-ketran-trano ny manao ny fangatahana fampidirana jiro sy rano mialoha ny hanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Jirama ny asa”, hoy ny […]

CUA : nanadio sy nanala ny fako eto an-drenivohitra

Nesorina ireo fako mitoby eny amin’ny boriborintany eto Antananarivo. Nisahana izany ny SMA. Nodiovina sy nesorina avokoa ny fako teo anivon’ny boriborintany re­hetra eto Antananarivo Reni­vohitra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka izany ny teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fanadiovana ny fako (SMA). Nohe­tsehina avokoa ireo kamiao 21, izay nahavita […]