Nampahafantarina, omaly, ireo mendrika tamin’ny antso tolotra tetikasa ho an’ny fikambanana ao anatin’ny kaominina efatra (Ivato, Talatamaty, Anosiala, Ambatolampy Tsimahafotsy) manodidina ny orinasa Ravinala Airports eny Ivato. Mifantoka amin’ny lohahevitra telo ny tetikasa, ny fampandrosoana, ny tontolo iainana ary ny fanabeazana. Miisa 60 ireo nandroso tetikasa, ka 10 ny tafakatra […]
Mois : août 2023
Mpandraharaha tsy miankina : fangatahana hanafatra katsaka any ivelany
Natao ho an’ny sakafom-biby ny 46%-n’ny katsaka eto Madagasikara. Tsy maharaka ny tolotra sy ny vokatra eto an-toerana satria miha mitombo ny mpampiasa, toy ny orinasa vaventy na salantsalany manodina azy ho provandy. Lafo, araka izany, ny vidiny eo amin’ny tsena, satria tafakatra 2 100 Ar hatramin’ny 2 800 Ar […]
Seranan-tsambon’i Katsepy: Tosika amin’ny fampandrosoana
Hampiakatra ny toekarena ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny ny seranan-tsambo vaovao ao Katsepy. Hanamora ny fifanarahana ara-barotra sy ny fitateran’entana ity fotodrafitrasa ity ary hamorona asa ho an’ny tanora. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny seranan-tsambo vaovao ao Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny. Nitarika ny lanona ny minisitry ny Fitaterana sy […]
Na nikija aza ny orana : Tontosa ny fanokafana ny Asief
Nosokafana ofisialy, omaly, nanoloana ny Araben’ny fahaleovantena Toamasina, ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief). Tsy nahasakana ireo mpandray anjara hatramin’ny olona manan-kaja nasaina, ny orana nikija fa nizotra tsara izany lanonam-panokafana izany. Natomboka tamin’ny 1 ora ny fotoana, tamin’ny alalan’ny rodobe. Nitohy tamin’ny filaharambe sy fandraisam-pitenenana ary zumba. Nisy […]
Fandehanana mafy : mpitondra moto maty tsy tra-drano
Saika isan’andro ny ahenoana loza ahafatesan’olona vokatry ny fampiasana moto. Noho ny fandehanana mafy hatrany ny ankamaroan’izany. Namoy ny ainy vokatry ny fandehanana mafy ny raim-pianakaviana iray 76 taona nitondra moto, tao amin’ny fokontany Ambihibolabe, kaominina Amboasary Gare, distrikan’i Moramanga, afakomaly. Tsy tafavily fiolanana, nifatratra tanaty tatatra ilay mpitondra moto. […]




