Mois : août 2023

Tohana ho an’ny fahasalamana: Ekipa 96 mitety tanàna any Atsimo sy Atsimo Andrefana

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, ny volana marsa lasa teo, manohy ny tantsoroka ho an’ny fokonolona amin’ny fanampiana ny fahasalamana ny Unicef sy ireo mpiray ombon’antoka maro. Mandeha mitety tanàna ireo mpiasan’ny fahasalamana manome tolotra eny amin’ny foibe ho an’ny fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fokontany. 20 andro ny faharetan’ny asan’izy ireo ary […]

IHSM Toliara: mahasarika mpitsidika ny « Musée de la mer »

Ny taona 1992 no lasa eo ambany fiahian’ny oniver­siten’i Toliara ny «Institut halieutique et des Sciences Marines, IHSM» ao Toliara, manome fampianarana mom­ba ny tontolon’ny ranomasina. Ivontoerana tokana eto Ma­dagasikara manofana izany ary manodidina ny 300 eo ho eo isan-taona ny tanora mifaninana hiditra ho taona voalohany raha 36 amin’ireo […]

Vidin’entana : ampiakarina amin’ny fanaovana asa tanana ny vidin’ny vanille

Tonga maneho ny fomba fampiasana sy fanodinana ireo akora fototra avy amin’ny vokatra vanille etsy amin’ny “Fier Mada”, Andohatapenaka ireo mpamokatra avy any amin’ny faritra Ambatosoa, amin’izao fotoana izao. “Simba fotsiny ny vanille any an-toerana satria tsy misy vidiny intsony ary vitsy ny mpanjifa izany”, hoy i Christianah, mpamokatra vanille […]

Fampiasana fanafody fandrindram-piterahana: ho tratra ny tanjona 60%, hoy ny solontenan’ny Unfpa

Mpiray ombon’antoka amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny fahasalamana ara-pananahana sy fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny azo sorohina ny Unfpa. Nahafa-po ny vokatry ny asa ho an’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona famaranana ny fandaharanasa fahavalo iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa) ity, hoy ny solontenany […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny telovolana ho avy : aogositra-septambra ary oktobra, ho vinavinaina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy, afa-tsy ny faritra Diana, Sofia sy ny ilany avaratry ny faritra Sava sy Alaotra Mangoro. Foana ny fampitandremana mahakasika ny alondrano ho an’ny morontsiraka […]