Fotoana tokony mbola ao anatin’ny mahamora ny vidim-bary izao aogositra izao. Efa miakatra tsikelikely sahady anefa izany, ary ahina ny amin’ny maitsoahitra. Midangana koa ny vary « stock », afarana avy any ivelany. Tena mamatsy vary ny eto an-drenivohitra ny avy any Alaotra sy ny any Bongolava ary Anjozorobe. Manomboka […]
Mois : août 2023
Nifanehatra tamin’ny polisy: zaza tsy ampy taona tratra namaky trano
Zazalahy iray tra-tehaky ny polisy nitondra fahitalavitra iray niampy kojakoja fampiasa amin’izany tao Morafeno, Toamasina, ny 1 aogositra teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana alina ity mpangalatra ity. Nikasa handositra vantany vao nahatazana ireo polisy io zazalahy io. Nasaina nijanona, nojerena ny teny an-tanana ka nahatrarana fahitalavitra iray. […]
Fanendahana : roa lahy nisandoka ho polisy voasambotra
Manakan-dalana amin’ny andro alina, tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny roa lahy nisandoka andraikitra, tao Tanambao II, Toamasina, ny 2 aogositra teo. Miandry ireo mpandeha alina, misandoka ho polisy izy mirahalahy ireto. Mijanona noho izany ireo sendra azy ireo kinanjo endahin’izy roa lahy avy hatrany. Mirifatra mandositra ireo olon-dratsy aorian’izay. Niantso […]
Tselatra
Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana niaro tsatok’antsy teo Mascar fokontany Anjanahary, omaly hariva. Norobain’ny jiolahy nitondra antsy lava izy. Nolerany antsibe io ramatoa io taorian’izay ka tsy nisy sahy nanantona noho ny tahotra ireo nanatri-maso. Namoy ny ainy nihohoka tao anaty sinibe nisy toaka gasy ny lehilahy iray tao Sambava, ny […]
Manafika fonja: mihantsy fanjakana ny vahoaka!
Fokonolona 500 eo ho eo, avy amin’ny fokontany roa, nitaky hamotsorana ny namany enina tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka, afakomaly alina, nitohy omaly atoandro. Tifi-danitra nisesisesy nataon’ny mpiandry fonja tao Ambatondrazaka nanaparitahana ny fokonolona, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Nitaky ny hamotsorana ireo olona enina voasaringotra tamin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanafika. « Manodidina ny 500 izy […]




