Tsy afaka miatrika ny lalao ara-pirahalahiana, atao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 15 aogositra ho avy izao, ny Palanças Negras Kenya. Marihina fa hitsapa ny Barea de Madagascar izy ireo amin’izany. Raha ny fanazavana voaray, tsy tontosa ny fihaonana noho ny hamaroan’ ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Kenya hiatrika […]
Mois : août 2023
SOMBIM-BAOVAO
Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny lalan’ny Malagasy, teo amin’ny fifaninanana “freestyle”, amin’ny lalaon’ny Frankofonia any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratika Congo. Ny alatsinainy lasa teo, resin’i Kameronina i Madagasikara, nahitana an’i Patô, Michael, Lafatra Tiago, Fyartlove ary Ny Antema. Taorian’ny nandrombahan’ny Akio de Madagascar ny tompondakan’ny faritra fahafito “IHF […]
Lalaon’ny Frankofonia : nahazo medaly volamena i Sidonie
Norombahan’i Sidonie Fiadanantsoa, vehivavy malagasy atleta, ny medaly volamena voalohany ho an’i Madagasikara nandritra ny lalaon’ny Frankofonia, izay atao any Kinshasa, ny 28 jolay – 6 aogositra. Tao anatin’ny 13”01 segondra no nanaovan’ity atleta malagasy ity ny 100 metatra misy fefy “haies”, omaly, nandritra ny lalao famaranana. Ankoatra izay, notanterahina […]
ASNAKUFUMABEHMIRAY : namoha ny tantara namotehana ny Kung fu
Feno 38 taona, omaly 1 aogositra, ny namotehan’ny fanjakana ny taranja Kung fu, ny taona 1985. Ho fahatsiarovana sy fanamarihana ity fotoana manan-danja ity, namoha ny tantara ireo mpikatroka fahiny tao Behoririka, izay efa manana ny fikambanany « ASNAKUFUMABEHMIRAY ». Nasehon’izy ireo, omaly, teny Antsobolo, ny tena atao hoe Kung fu. Nambaran’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Raisin’ny mpanjifa ho fanararaotana tafahoatra ny saran’ny fankanesana eny amoron-dranomasina any Foulpointe, amin’izao fialan-tsasatra izao. Midangana izaitsizy ny vidin-tsakafo, ny zava-pisotro, ny fandehanana lakana, ny fitsangatsanganana, sns. Maro ireo mpitsangantsangana no nanapa-kevitra tsy ho any fa hiova toeran-kafa. Mbola maro ireo taxi-be mihodina an-dalana, tsy manaja ny lalan-jotra. Mihodina eo […]




