Anisan’ireo nandray ny eo anivon’ny Sadc ny Ceni. Nisongadina tamin’izany ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana. «Fantatra tamin’ny fihaonana fa vonona ry zareo hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana fifidianana, handefa mpanara-maso amin’izany», hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fihaonan-dry zareo tamin’ny iraky ny Sadc. […]
Mois : août 2023
INDRAY MIJERY
Misitraka fiofanana ho fanamafisana traikefa ireo mpampianatra ny kilasy garabola 43, ao anatin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Ihorombe. Nanomboka ny alatsinainy teo ary haharitra 10 andro ny fiofanana. Manana solontena koa ny mpanolotsaim-pampianarana avy any amin’ny foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsimo Andrefana. Ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, nomena fitaovana ny toerana famindrana […]
Mihamafy ny fitokonana : hanampy ny Seces ny FDSP
Nivoitra tao anatin’ny fivorian’ny Seces, sampana Antananarivo, ny alatsinainy teo, fa mitohy hatramin’ny 7 aogositra izao ny oniversite maty. Tsy misy mpampianatra hampiodina eny amin’ireo fakiolte rehetra. Tetsy andaniny, namoaka fanambarana ihany koa ny fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (FDSP) fa hiombom-po haneho firaisankina amin’ny Seces ka hampitsahatra ny […]
Orange Solidarité-UNFPA : hanohana ny vehivavy
Hifanohana ny Orange Solidarite sy ny UNFPA ary ny orinasa Orange Madagascar ho fampiroboroboana ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ny fikirakirana ny nomerika. Hanampy sy hampitaovana ireo tranon’ny tanora manerana ny faritra maro ny roa tonta amin’ny fanomezana “connexion”, fanofanana sy ny famakiam-boky. Eny anivon’ireo tanàna Orange, hanofana ireo […]
ONN sy FAO : mamolavola boky torohay hahaizan’ ny isan-tokantrano mahandro
Azo ovaovaina ny sakafo ho an’ny isan-tokantrano amin’ny vokatra misy eo aminy isam-paritra. Hamolavola boky torohay mifandraika amin’izany ny teknisianina. Hanohana teknika ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) mandritra ny roa taona ho avy. Hiompana amin’ny fanentanana ny fianakaviana […]




