Mois : août 2023

Fidarohana mpianatra teny Ankatso : maro ny nanameloka ny mpitandro filaminana

Niraradraraka ny fanambarana sy fanamelohana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana, nandrava ny hetsiky ny mpianatra, nanao fitakiana teny Ankatso, afakomaly. Na­nameloka tanteraka ny herisetra ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tokony hahay hifehy tena ny mpitandro filaminana, na mafy aza ny tsindry mahazo azy noho ny baiko midina […]

TURQUIE : hizara traikefa amin’ ny Tafika Malagasy

Nandray ny masoivohon’i Torokia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fia­rovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa efa nahazo tombony tamin’ny fampiofanana tany Torokia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]

Filoha Rajoelina Andry : miantso fitoniana sy firaisankina!

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Niantso firaisankina ny tenany. «Tsy maintsy mandresy rehefa miray hina… Efa betsaka ny lalaon’ny Nosy fa tamin’ity indray mandeha ity no natrehin’ny filoham-pirenena miisa telo, tarihin’ny filohan’i Kao­moro sady […]

Vory lanona ny vahoaka: nahasondrina ny seho sy ny ravaka antsehatra

Tontosa tao anaty hafaliana sy haravoana ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11, omaly, teny amin’ny kianja Barea Maham­a­sina. Seho ara-javakanto isan-karazany no nentina nanokafana izany lanonana izany. Anisan’izany ny fihetsika mi­rindra sy ny seho an-tsehatra, izay samy nanehoana ny maha izy an’i Madagasikara. Tena nampitolagaga ny maro, […]

Rugby lalaovina olona 7: fantatra ireo mpilalao mandrafitra ny Makis

Ny alakamisy lasa teo, tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny vaovao tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Malagasy rugby, vao namoaka ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny Makis de Madagas­car, ireo mpanazatra sy ny ekipa teknika. 12 lahy sy 12 vavy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ary hiady ny handrombaka medaly volamena. Saika mpilalao efa zatra […]