Mois : août 2023

Golf – « Inter-îles 2023 »: hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 25 aogositra, eny amin’ny Golf du Rova Andakana, ny fifaninanana “Golf Inter-îles 2023”. Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany. Anisany i Madagasikara, mpampiantrano, i La Réunion, i Maurice, i Mayotte ary i Seychelles. Marihina fa ny Golf, voasokajy anatin’ireo taranja fampirantiana mandritra ny lalaon’ny Nosy […]

Judo-“IBSA World Games” : hifaninana rahampitso i Nampoina, judokas malagasy jamba

Nanainga omaly, nihazo an’i Birmingham, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena “multisports” natokana ho an’ny jamba, Rakotoarivelo Nampoina Daniel. Hiakatra an-tsehatra rahampitso izy. Tanteraka ny fanirian’i Nampoina. Hiatrika ny “IBSA World Games”, hatao any Birmingham ity judokas malagasy jamba ity. Rahampitso izy no hifaninana, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 60 kg. Hotontosaina […]

INDRAY MIJERY

Mampahafantatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa foana ny tsenan’i Mahamasina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao ka ilazana ireo mpivarotra rehetra. Antony, anisan’ny hiatrehana ny lalaon’ny Nosy ny kianja Barea etsy Mahamasina sy ny manodidina azy. Miverina amin’ny laoniny izany, ny 7 septambra. Iandraiketan’ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazana sy ny […]

Fampananan’asa ny tanora : napetraka ny fandaharanasa lasitra

Natao, omaly, ny atrikasa momba ny fandaharanasa lasitra ho fampananan’asa sy fandraharahana ho an’ny tanora eto amintsika. Nia­rahan’ny fanjakana malagasy sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) teny Anosy, izany. Nanotrona tao koa ny sendikàn’ny mpiasa sy ny mpandraharaha eto amintsika. Tanjona ny hijery ny olana tsy ahazoan’ny […]

Fampianarana mitory teny : mitsangana ny sekoly The 3M Preach Institute

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny toeram-pampianarana mitory teny The 3M Preaching Institute, etsy Ambatoroka. Sekoly ambony mampiofana olon-tsotra na mpitandrina na ireo te handalina ny Baiboly hitory teny ity vao nisokatra ity. 2 taona ny faharetan’ny fampianarana ary efa mahatratra 22 ireo mpianatra mandranto fianarana ao, amin’izao andiany voalohany […]