Mois : août 2023

Fampianarana ambony : nanidy vavahady ny Seces, hihamafy ny fitakiana

Antso an’efitra ihany ny an’ny Seces, sampana Antananarivo hatramin’izao. Hihamafy hatrany ny hetsi-pitakiana. Nanakatona vavahady izy ireo, omaly. Naneho tsy fankasitrahana ny Seces sampana Antananarivo, omaly, ka nanomboka nanidy vavahady nandritra ny ora iray. Napetraka ihany koa ny sora-baventy milaza fa ny oniversite sy ny foibem-pikarohana dia mitokona. Manao zinona […]

Hisorohana ny lozam-pifamoivoizana: hanamafy ny fidinana ifotony ny tomponandraikitra

Nanatanteraka fivoriana vonjimaika ireo tomponandraikitra sy mpiara-miombon’antoka misahana ny fifamoivoizana eto Madagasi­kara, omaly. Voalaza nandritra izany ny fepetra tokony ho raisina sy handrindrana ny asa rehetra hisorohana ny loza eny amin’ny lalam-pirenena samihafa. Hanamafy ny fidinana eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny toeram-piantsonan’ny taksiborosy ireo tomponandraikitra voakasik’izany. “Hotsirihana avokoa ny […]

Fitaterana an-tariby: tafapetrana ny pylône avo indrina maneran-tany

Mitohy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa sy fanatsarana ny fitaterana eto amintsika. Goavana sy anisan’ny moderina indrindra eto Ma­daga­sikara ny fanaovana ny fitaterana an-tariby. Am­piasana fampitaovana lehibe ireo gara sy pylônes izay hametrahana ny fotodrafitrasa. Araka izany, tafapetraka ao Tsaralalana ny pylône mo­nofut, P 05 avo indrindra ma­ne­ran-tany. Mire­fy 49m izany […]

Oratsimba: Tsy voafehy ny teknikam-panondranana

Ambony ny taham-pahafatesan’ny oratsimba eto Madagasikara noho ny tsy fahafehazana ny teknikam-panondranana. Maro ny fepetra arahina momban’ny lalànan’ny fanondranana ity hazandrano ity eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Oratsimba velona no ahondrana, mitombo avo 5 na 10 heny amin’ny oratsimba nampangatsiahana ny vidin’izany. Tonga tao Ankeliky, kaominina Belo, faritra Menabe, ny tomponandraikitry […]

Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany

Fotoana hampiakatra avo ny toekarena malagasy sy ny fizahantany eto an-toerana ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana hatao eto Madagasikara. Manana ny paikady hanatanterahana izany ny tomponandraikitra samihafa. Hetsika goavana sady anisan’ny handrasan’ny mpiantsehatra isan-karazany ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (JIOI), andiany faha-11, izay hatao eto Madagasikara […]