Fantina sy fintina

Nanao fanambarana ireo loholona IRD, miisa 9, omaly tetsy Anosikely. Nohelohin’izy ireo ny politika mody mirotsaka hofidina nefa manao fanakorontanana. “Manodinkodina izany hamendrofendroana ny vahoaka“, hoy izy ireo. Nanterin’ireo loholona ireo fa tsy azo ampiharina ilay lalàna momba ny “zom-pirenena – Code de nationalité”. Mifanipaka amin’ny Lalàmpanorenana izany.

Tsy nandrotsaka olona ho fidina ny antoko Ny Fireneko sady tsy hanohana kandidà. Namoaka fanambarana ity antoko tarihin-dRabary Paul ity, omaly fa tsy handray anjara amin’izao fifidianana izao. “Mbola betsaka ny fanabeazana politika ho an’ny mpiray tanindrazana, koa mbola hanohy izany asa izany izahay”, hoy izy. Mirary izy ireo mba ho lavitry ny korontana sy ny fifandrafiana ny fifidianana.

Laharana fahatelo amin’ny fampidiran-ketra ny kaominina Imito any amin’ny distrikan’i Fandriana. Ben’ny Tanàna amin’izany toerana izany Razafimanantsoa Jean Marie avy amin’ny MMM. “Antoky ny fampandrosoana ny firenena ny fizakan-tena ara-bolan’ny kaominina tsirairay sy ny finiavan’ny mpitarika ary koa ny vahoaka hampandroso ny faritra iray“, hoy Andrianainarivelo Hajo.

Efa azo jerena ny lisitry ny biraom-pifidianana. Nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Ntseheno, omaly, teny Alarobia fa efa azo jerena amin’ny “site web” sy eny amin’ny Ceni mivantana ny lisi-pifidianana sy ny birao fandatsaham-bato.  Mahatratra 27 375 ny isan’ny birao fandatsaham-bato amin’izao, amin’ny mpifidy 11 243 836. Miisa 1987 ny fitomboan’ny birao fandatsaham-bato amin’izany

Partager sur: