Nikasa hanenjika ny olon-tiany: lehilahy hita faty nisotro poizina

Namoy fo, lehilahy 24 taona hita faty teny amoron-tanimbary tao Andohavary Miarinarivo, omaly maraina.

Hita faty nanamorona tanimbary ny lehilahy iray tao Andohavary Miarinarivo, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakany. Mbola hita tsy lavitra  io lehilahy namoy ny ainy io avokoa ny bisikileta, ny vola 5 000 Ar niampy tavoahangy nisy “nuvan”. Namono tena izy, araka ny famotorana nataon’ny talem-paritry ny polisim-pirenena  sy ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo tamin’ny vatana mangatsiaka. Niparitaka tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny fatin’ity lehilahy ity ka nidina ifotony naka azy ny fianakaviany. Avy any amin’ny tanànan’i Sandranoro, kaominina ambanivohitra Ifanja ilay lehilahy. Niala tany amin’ny trano fonenany izy ka nikasa hamonjy ny sakaizany ao Analavory. Tsy nampoiziny, efa lasa niakatra namonjy ny Renivohitra io vehivavy io raha ny fanamafisan’ny polisy ao an-toerana. Niezaka hanenjika io olon-tiany io tamin’ny bisikileta ilay lehilahy. Nanapa-kevitra hanapitra ny ainy tamin’ny alalan’ny fisotroana poizina anefa ity farany rehefa tonga teo amin’io toerana atao hoe Andohavary io.

Rarintsaina lalina

 Azon’ny rarintsaina lalina io lehilahy namono tena io, raha ny fanazavan’ny mpitsabo manam-pahaizana manokana momban’ny fitsaboana saina ao amin’ny CHU Anjanamasina, Dr Andrianarison Nambinintsoa, omaly. Tsy zakan’ilay lehilahy intsony ny dona mafy nahazo azy. “Mety ho efa maro ny sedra nolalovany ka antony nitarika ny famoizam-pony”, hoy hatrany izy. Ankoatr’io, mitarika hanaotao foana koa ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Hisorohana ny tranga tahak’ity niseho tao Miarinarivo ity, nanamafy ny Dr Andrianarison fa mila manatona mpitsabo manokana ireo azon’ny rarintsaina.

Tsiferana R.

Partager sur: