Manomana ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2024 ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nihaona tamin’ny solontenan’ny mpandraharaha sy ny fiarahamonim-pirenena ny minisitera, ny alakamisy teo, handrafetana ny fangatahan’izy ireo hahafahana mandrafitra farany izany volavolan-dalàna amin’ny taona ho avy. Mbola hihaona ny 21 septambra izao indray ny roa tonta.
Nisitraka fampiofanana ireo mpikambana 26 ao anatin’ny kaoperativa Miharo sy Fitaratra, misehatra amin’ny famokaram-bary ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro teo. Nahazo fanohanana ara-teknika ireo kaoperativa roa ireo. Tontosa tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny tetikasa “Papriz” ity fampiofanana ity.
Andrin-jiro BT miisa 275 sy MT 151 ary lignes BT 10,13km sy MT 10,389 km miampy “transformateurs” 12 no napetraka ao Morondava, omaly. Hisitraka herinaratra avy amin’ny orinasa Jirama ny mponina ao Miandrivazo, Belo Tsiribihina, Morondava ary Mahabo. Hanaovana ity tetikasa ity koa ny faritra avaratra andrefana, Atsinanana ary atsimon’ny Nosy. Mponina 2 000 000 hisitraka izany.
Tafapetraka omaly, ny herinaratra mampandeha ny CSB II ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambondrona, distrika Isandra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “LEAD” izay miompana amin’ny fampidirana herinaratra amina CSB miisa 500 manerana ny Nosy izy ity. Tonga nanolotra ireo fanomezana ny tale iraisam-paritry ny angovo sy ny akoranafo ao Fianarantsoa sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.




