Mois : septembre 2023

Mozika malagasy : hitondra fivoarana sy fandrosoana ny “Moozik”

Vokatra voalohany manome lanja ny Malagasy mpanakanto ny “Moozik”. Samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity na ny mpanakanto na ny mpankafy na ny sehatry ny mozika malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny lanonana fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny “Plateforme Moozik”. Kara­zana tambajotran-tserasera ahafahan’ny mpankafy mozika mihaino ireo hira […]

Mpampivelona : asa hanasoavana sy hanampiana ny olona sahirana

Ankoatra ny vehivavy miteraka, ilain’ny rehetra ny fisian’ny mpampivelona eto amin’ny firenena satria antoky ny fahaveloman’ny aina izy ireny. Hanasoavana sy hanampiana ireo mpiara-belona sy ireo vehivavy sahirana no tena anton’ny safidin’ireo olona manao ny asan’ny mpampivelona, raha ny fanadihadiana natao. “Asa masina ny asan’ny mpampivelona satria miantoka ny ain’ny […]

Zotram-pifidianana: manamafy ny fanohanana ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena

Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha mifandray amin’ny fanomanana fifidianana ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena eto Madagasikara. Araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo, omaly, taorian’ny fihaonana tamin’ny governemanta ifarimbonana, natrehin’ny mpikambana vitsivitsy, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, afakomaly. Manao sonia izany ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina, ny solontenan’ny OIF aty amin’ny faritry ny ranomasimbe […]

FANTINA sy FINTINA

Manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, hitafa amin’ny vahoaka malagasy anio alina, ny praiminisitra, sady filoham-panjakana miara-mitantana. Handeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny resadresaka. Hizara izany koa ny fitaovan-tserasera tsy miankina sy ny tambajotran-tserasera. Manohitra tanteraka amin’ny heriny manontolo ny finiavana hamboly korontana sy krizy politika vaovao kasain’ny sasany hatao […]

Teti-panorona

  20 andro sisa dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra, amin’ny fifidianana izay ho filo­ham-pirenena fihodinana voalohany. Hatramin’izao anefa, mbo­la manjavozavo ny tena fandehan’ny raharaham-pirenena. Samy manao izay mahafalifaly ny fony sy ny sainy ny ankolafin-kery samihafa. Tsy misy sahy mandray ny andraikitra mifanaraka amin’ny foto-keviny. Lany andro manao […]