Mois : septembre 2023

Faritra Analanjirofo : nohavaozina ny drafi-pitantanana ny loza

Natao ny herinandro lasa teo ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra manokana mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (PCR), ho an’ny faritra Analanjiro­fo. Nitarika ny asa ny prefen’i Fenoarivo Atsinanana, nandraisan’ireo talem-paritra sy ny lehiben’ny distrika rehetra ary ny solontenam-panjakana isan’ambaratongany anjara. Fotoana iray nahafahan’ny mpiantsehatra ao an-toerana […]

Atrikasa momba ny fanabeazana : mpisehatra 660 nifanakalo traikefa

Nahafahana nanombana ny ezaka natao tao anatin’ny fanantanterahana ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE 2018-2023) ny atrikasa « revue thématique ». Natomboka ny taona 2017 ny PSE, ho fanatsarana ny rafi-pampianarana eto amintsika manomboka eny amin’ny akany fibeazana hatramin’ny fampianarana ambony. Nikarakara ny atrikasa ny fihanaomben’ny mpisehatry ny fanabeazana (PNPSE), […]

TARATRY ny KANTO

Kontroller. Tanterahina eny amin’ny Aft Anda­vamamba, ny 4 oktobra 2023 ho avy izao, ny fampisehoana « Kontroller ». Vondrona mpandihy sangany eo amin’ny dihy ankehitriny no handray anjara amin’ny fampisehoana. Ny Aft miaraka amin’ny “Trotra festival international de danse contemporaine” no mikarakara ny hetsika. “Little Miss & Mister Univers”. Misolo tena an’i […]

« Miss & Mister Malagasy »: hanome fitaovam-pianarana ny sahirana

Eto Madagasikara, hanatanterahana hetsika mitsinjo ny maha olona, ny mpandresin’ny «Miss & Mister Mala­gasy 2023». Amin’ny anaran’ny fikambanana Miss et Mister Malagasy no hanatanterahana ny hetsika, ary misolo tena ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany ao anatin’izany. Anio no hiainga eto Antana­narivo izy ireo ary hihazo ny tapany atsimon’ny Nosy. Anta­nanarivo, […]

Noho ny antony maro: tsy raikitra ny « Angaredona »

Tsy ilay «angaredona » miloko politika akory no resaka! Tsy raikitra ny «An­ga­redona Mozika Festival» amin’ity taona ity. « Aleo ahemotra amin’ny taona ho avy ny andiany faha-18. Fanam­afisa­na ny fanapahan-kevitra efa noraisinay izy ity, satria maro ny antony  manelingelina ny hetsika. Santionan’izany fotsiny ny fotoana izay efa tapaka tamin’ny volana novambra 2022, […]