Mois : septembre 2023

“First Global Challenge”: Tanora malagasy miisa 5 ho any Singapour

Noraisin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny haitao kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Raza­fin­dramalo Tahina, omaly, ny ekipa malagasy tanora handray anjara amin’ny fifaninanana “First Global Challenge”, ny 7 hatramin’ny 10 oktobra ho avy izao. Fifaninanana iraisam-pirenena, andiany fahafito, miompana amin’ny fikarohana siantifika sy ny teknolojia niomerika. […]

Famokarana anaty rano : jerena ny paikady hampivoarana ny toekarena manga

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Vondrona Afrikanina ny famolavolana paikady hampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga, ho kitro hifaharan’ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny “Agenda 2063” eo anivon’ny Vondrona Afrikanina i Madagasikara. Fandahara­nasa mifantoka amin’ny fanomezana asa, amin’ny alalan’ny harena anaty rano, sy hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. […]

INDRAY MIJERY

Mbola manan-kery ny filazana fampitandremana miloko mena, anio, eo anelanelan’i Besalampy sy Vangaindrano noho ny ranomasina hahery be. Tomba­nana hahatratra hatramin’ny 5,5m ny haavon’ny onja manomboka eo Morondava hatrany Taolagnaro, manodidina ny 3m kosa ny eo anelanelan’i Besalampy sy Morondava sy ny any Taolagnaro hatrany Vangaindrano. Ivontoeram-panofanana tsy miankina niorina […]

Kaominina Ivato : nahazo CEG sy dabilio manara-penitra ny mpianatra

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy hianaran’ny mpianatra ny CEG eny amin’ny kaominina Ivato, izay nasiam-panavaozana tanteraka, omaly. Lasa 15 ny efitranon-tsekoly raha 10 monja teo aloha. Efa notataovan-doza ireo mpianatra noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Antony nahatonga ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny faritra Ana­lamanga, tarihin’ny governora Rasoamaromaka Hery, nanapa-kevitra nanavao tanteraka ny toerana, […]