“Tsotra ny angatahiko ary mba tsy hisian’ny olana eto amintsika: aleo ny vahoaka malagasy mivantana, na amin’ny alalan’ny demokrasia mivantana, handatsa-bato izay hofidiny ho filohan’ny Repoblika”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, i Rivotiana Richard Jean Bosco, manoloana ny toe-draharaham-pirenena […]
Mois : septembre 2023
Lalan-tokana !
Miova indray ny vontoatin-tserasera voizin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Antoko, fikambanana, firaisamonim-pirenena, mpanao politika tsotra dia miray feo amin’izato mety ho fisian’ny korontana. Zary hirahiraina sy atao fitaovana hampitarazoka fifidianana. Ny an’ny sasany aza toa lasa biby fampitahorana, tsy hay mazava ny tanjona hotratrarina sy ny kajikajy […]
Andrianarisedo Dama, filohan’ny Ceni : “Tsy sakana amin’ny fifidianana ny adihevitra politika”
Miroso amin’ny fanatanterahana ny dingana rehetra ilaina amin’ny fifidianana ny Ceni. Nihaona tamin’ny solontenan’ny kandidà izy ireo, omaly. «Ampirisihinay ny hahitan’ireo kandidà vahaolana amin’ny lafiny politika», hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana. Tsy sakana amin’ny fikarakarana fifidianana ny adihevitra politika. “Sarotiny izahay […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja afakomaly ireo jiolahy tratra nanendaka tao Toamasina. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tao Bazaribe no nahitana azy roa lahy ireto somary hafahafa fihetsika. Nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ny polisy. Tsy lasa lavitra anefa ry zalahy dia tratra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra […]
RN2: olona telo nitondra hazo sarobidy voasambotra
Tompon-kazo roa sy mpamily fiara iray voasambotry ny zandary mpanao fisafoana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo Ambatolaona, PK 58, afakomaly maraina. Nanao fisavana tampoka ny fiara sprinter mpitatitra entana ny mpitandro filaminana. Nitondra hazo an-jatony ny fiara ka nanamarina ny karazan’ izany sy ny taratasy nifandraika aminy ireto farany. Voamarina […]




