Hotanterahina ny 22 sy 23 septambra 2023, eny Andriampamaky, ny hetsika “Tsenaben’ny boky”, andiany faharoa. Ny “Opération Bokiko” miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka aminy no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana maro samihafa manodidina ny vaky boky sy ny literatiora no handravaka ny roa andro hanaovana ny hetsika. Fanatonana sy fampirisihana […]
Mois : septembre 2023
Fakafaka: Ny todin’itsy, misy !
Toa tsy mba afak’olana mihitsy i Madagasikara ? Marina izany, satria, maro loatra ny olana nambolena teto. Samy nanondraka sy nanisy zezika ireny olana ireny ireo namafy ny voa. Iray amin’izany ny Frantsay mpanjakazaka an-tanin’olona. Niteraka olana goavana be, ohatra, ny fanisihina tao an-tsain’ny Malagasy fa « vanim-potoana maizina no nodiavin’ny […]
Literatiora am-bava : miha mielipatrana ny Zafindraony
Fomba fihira anisan’ny mbola tafapetraka hatramin’izao ny Zafindraony, ary miha mitombo aza ny mpanao azy. Ny foko Betsileo no tena namelo-maso azy ity. Mbola manao izany ny mponina any an-toerana ankehitriny rehefa manao hira ankavoriana, indrindra any anaty fiangonana. Haikanto sy fomba fihira mampiavaka ny foko Betsileo ny Zafindraony. Efa […]
Semipi – Fianarantsoa : mivoatra manaraka ny vanim-potoana ilay “Paradisa faharoa”
Sekoly mamolavola ireo tovolahy ho taninketsan’ny Foloalindahy ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), ao Beravina Fianarantsoa. Maro ireo manamboninahitra ambony efa mitana andraikitra eto amin’ny firenena no nandalo tao amin’ny sekoly. «Fahaizana – Fahendrena – Fandresena ». Io no tarigetra napetraky ny tomponandraikitra eo anivon’ny Semipi amin’ny famolavolana ireo miaramilakely, beazina sy volavolaina […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaona tamin’ny governemanta ifarimbonana natrehin’ny mpikambana vitsivitsy, notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ireo Ambasadaoro avy amin’ny firenena mivondrona ao anatin’ny G7, nahitana an’i Soisa, Etazonia, Frantsa, Japon, Royaume-Uni, ny Vondrona eoropeanina ary i Allemagne. Tsy nisy nipika ny resaka nifanaovana, izay naharitra ora roa. Miantso ny vahoaka malagasy […]




