Mois : septembre 2023

Antoko Hiaraka Isika : “Aoka ho halavirina ny fifampihantsiana”

Manoloana ny raharaham-pirenena, mizara ny heviny ny antoko Hiaraka Isika, tarihin’ny filoha nasionaliny, Vital Albert Camille. “Miantoka ny fiainam-pirenena mandritra ny dimy taona hoavy sy izay manaraka ny fifidianana”, raha ny fanambarana nataon’ny antoko Hiaraka Isika (AHI), omaly. Efa nambaran’ny Fi­tsarana avo momba ny La­làmpanorenana (HCC) ireo kandidà13 nahafeno fepetra […]

Hajo Andrianainarivelo : “Ilaina hajaina ny tany tan-dalàna”

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianari­narivelo Hajo, fa tsy afaka hamela an’i Madagasiraka ohatra izao intsony isika satria tafiditra anaty fahasahiranana mafy ny firenena. “Anisan’ny antony miteraka izany ny fahitana fa tsy voahaja ny lalàna. Tsy misy intsony ny fatahorana an’Andriamananitra. Lasa mandainga sy mamorona ary mahavita ny mamitaka ny mpiray […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana”

Nitondra fanazavana manoloana ny raharaham-pirenena ny praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana. “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana. Tsy ekena izany Teteza­mita vaovao hitondra ao ana­tin’ny roa taona izany. Mazava ny lalana hizorantsika: fanajantsika ny lalàna velona eto Madagasikara. Mandala an’ izany […]

Boriborintany faha-IV : hisitraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana

Eo amin’ny fokontany Angarangarana Mandrango­bato II, ao amin’ny boriborintany faha-IV indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, amin’ny alalan’ny sam­pan-draharahan’ny fahasalamana. Hanomboka ra­hampitso hatramin’ny zoma izany. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita sy afaka sitrahin’ny mponina eny an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny fitiliana […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny alakamisy 28 septambra izao, ny fampirantiana ireo karazana asa, mifandraika sy mifanentana amin’ireo olona manana fahasembanana. Miaraka ho amin’ny asa mampiaty sy maharitra… lohahevitra amin’ izany. Mbola maro ireo orinasa tsy mandray olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina ny […]