Mois : septembre 2023

Aretina Alzheimer : ireo fambara 10 tokony hahamailo

Ny alakamisy izao no Andro maneran-tany ho an’ny aretina Alzheimer. Nampahafantatra ireo fambara 10 tokony hahamailo mikasika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny Iray volan’ny fampahafantarana ny aretina rahateo. Tsy zotram-pivoaran’ny fahanterana velively ny aretina Alzheimer raha ny fanazavana ka mila manatona dokotera […]

Lozam-pifamoivoizana : vokatry ny moto ny 78% mahafaty olona

Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra amin’ny lozam-pifamoivoizana ny moto. 78% ny tranga mahafaty olona izany, raha ho an’i Madagasikara. Nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetry ny andro fa 28%-n’ny olona maty maneran-tany dia vokatry ny loza ateraky ny mpitondra kodiaran-droa. Miakatra 78% izany raha […]

Kitra « D2 National »: misongadina ny JSA Ihorombe

Notanterahina nanomboka ny zoma sy omaly, tany Ma­hajanga sy Antsirabe ny andro faharoa, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara. Anisan’ireo klioba nahazo fandresena roa tamin’ity fifaninanana ity, ny JSA Ihorombe. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny GJFT Atsimo An­drefana, teo amin’ny andro voalohany izay natao […]

“Rugby Mondial 2023”: mamiratra i Afrika Atsimo sy i Irlande

Notanterahina nanomboka ny alakamisy lasa teo, tany France ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Cup 2023”, taranja rugby, lehilahy. Maro ireo ekipam-pirenena naneho ny heriny tamin’ity fifaninanana ity, omaly. Anisan’izany ny Springboks Afrika Atsimo, nanamontsana an’i Roumania, tamin’ny isa mavesatra 76 no ho 0. Ankoatra ny Springboks, […]